Toamasina – Roalahy nanolana tovovavy iray
Tovovavy iray 22 taona no niharan’ny fanolanan’ny tovolahy miisa roa, tao Salazamay, fokontany Ankirihiry, kaominina Toamasina, ny sabotsy lasa teo. Tsy fantatra mazava ny fizotran’ny raharaha fa nandritra ny fisafoana nataon’ny Emmoreg tamin’io toerana io, tokony ho tamin’ny 2ora maraina no nosakanan’ny lasibatra izy ireo. Nikiakiaka nitomany ny tenany ary rehefa nanontaniana ny nanjo azy dia nilaza izy fa nisy nanolana. Rehefa nohadihadiana lalina izy dia nilaza fa olom-pantany ihany ireo nanolana azy ireo. Nametraka fitoriana ilay tovovavy. Raha efa izany, tsy niandry ela ny mpitandro ny filaminana fa niditra avy hatrany tamin’ny fikarohana izay tsy nananosarotra loatra ka efa voasambotra izy mirahalahy ary efa eo am-pelantanan’ny zandary atao famotorana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







