Isotry – Lehilahy iray nahatratrarana basy kilalao
Voasambotra ny polisy, ny alakamisy lasa teo, tamin’ny 9ora alina ireo roalahy monina eny Isotry, noho ny fitazomana basy tsy misy taratasy. Vaovao avy amin’ny olona tsara sitra-po izay nilaza fa misy lehilahy iray mitazona basy ao an-tranony no nahafahana nisambotra an’i Rija sy ny zaodahiny. Rehefa nosavaina ilay trano dia nahitana basy poleta kilalao izay nafenina tao ambany gorodona. Tamin’ny famotorana azy roalahy no nahalalana fa an’i Rija ilay fitaovana ary nosoloiny vy ny lohan’ilay basy amin’izay mangatsiaka be rehefa atohoka amin’ny tenda ka toy ny basy tena izy mba hampihorohoroana ireo tafihana. Ankoatra izay dia nilaza ihany koa ny tenany fa manana akanjo “fluorescent” toy ny an’ny mpitandro filaminana sy “casquette” misy soratra zandarimaria miisa 2 any an-tranony. Ireo fitafiana ireo no fitondrany rehefa manao ny asa ratsy ary efa telo taona izay no nitazonany ireo rehetra ireo, araka ny filazany hatrany. Natolotra ny Fampanoavana, omaly i Rija.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







