Mpiandry fiantsonana amoron-dalana – Nanatanteraka fianianana ny andiany Santatra
Tontosa omaly, teny amin’ny lapan’ny Fitsarana, eny Anosy, ny fianianana nataon’ny “Agent de surveillance de la voie publique (Asvp) ». Izy ireo izay voatokana sy voafaritra manokana hiandraikitra ny fiantsonan’ny fiara amoron-dalana sy fandaminana anatin’ny lalam-bahoaka, izay ambany fiahian’ny Easy Park. Mba hanatsarana ny fitantanana io fiantsonana amoron-dalana io ny anton’izany, mba ho matianina ireo mpandraharaha ireo. Marihina fa manana ny kalitaon’ ny « police administratif » ny Asvp. Tsy manome « lettre de contravention » izy ireo fa manome kosa fanamarihana ho an’izay tsy manara-dalàna.
Araka ny fianianana natao hatrany dia miady amin’ny kolikoly ny Asvp. Fiantsonana amoron-dalana mahatratra 1200 no iandraiketan’ireo mpandraharaha efapolo.
“Nisy ny fifantenana nahafahana nisafidy ireo mpandraharaha efapolo ireo. Mitovy amin’ny fanaovana fifaninana ihany satria nandalo fanadihadiana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-karazany. Tsy izay ihany anefa fa mitaky fahaizana fiteny vahiny sy fikojakojana teknolojia avo lenta koa ny fidirana ho Asvp”, hoy i Rakotoson Manitra Haritiana, mpanara-maso ny Asvp.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







