Nosy-Be – Sarona ny roalahy nanafika teratany Frantsay
Mitady hahazo vahana ny fanafihana mitam-piadiana any amin’ny distrikan’i Nosy-Be Hell-ville ary tsy mifidy ora izany fa na amin’ny andro antoandro aza dia tonga manafika ireo jiolahy. Toy ny nahazo ity teratany Frantsay, ny sabotsy antoandro, tamin’ny 2ora. Jiolahy roa tsy misaro-tava nitondra sabatra no nanafika ny tranon’io vazaha io, tany amin’ny fokontany Bemoka, kaominina Diego. Lasa tamin’izany ny vola mitentina 1,5 tapitrisa ariary. Nidina teny an-toerana nisian’ny fanafihana ny mpitandro filaminana nanao ny famotorana rehefa nampandrenesina izay zava-nitranga. Nandeha ny fikarohana taorian’izay ka lehilahy iray nampiahiahy no nosavaina avy hatrany ary nahitana vola mitentina 320 000 ariary teny aminy. Nosamborina ity farany sy nentina natao famotorana ary niaiky ny heloka vitany izy sady nanoro ilay namany. Ity farany izay mbola nahatratrarana lelavola 400 000 ariary ihany koa. Notazomina ao amin’ny borigady Dzamanjary izy roalahy ireo mandra-piandry ny fitsarana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







