Halatr’omby – Dahalo an-jatony nanafika ny tanànan’Ankilimanjaka
Mitohy ny tsy fandriam-pahalemana any amin’ny distrikan’i Mahabo. Dahalo an-jatony nilanja basim-borona miisa 117 indray no tonga masiaka tao amin’ny fokontany Ankilimanjaka, kaominina Mandabe. Nipoapoaka ny feom-basy nandritra ny fizotran’ny fanafihana ka omby miisa 70 no lasan’ireo olon-dratsy, ny sabotsy 24 aprily vao mangiran-dratsy, tokony ho tamin’ny 4ora tany ho any. Tsy nisy sahy nanohitra ireo malaso ny fokonolona ka nahazo vahana ireto voalohany naka izay nilainy. Rehefa niala ny tanàna izy ireo vao nampandre ny mpitandro filaminana ireo lasibatra ka raikitra ny fanarahan-dia. Ny androtr’io ihany, tokony ho tamin’ny 11ora antoandro dia nifanehitra ny roa tonta ka nisy ny fifandonana tany amin’ny toerana antsoina hoe Morarano, mbola ao amin’ny fokontany Ankilimanjaka ihany. Vokany, tafaverina ny omby rehetra. Dahalo telo namoy ny ainy ary fokonolona roa kosa naratra.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







