Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Karana vavy maty naolana – Namoy ny ainy ihany koa ireo tompon’antoka

Jiolahy miisa 2 rain-dahiny amin’ny fanaovana fakana an-keriny sy fanafihana mitam-piadiana no voasambotry ny mpitandro filaminana, tany amin’ny fokontany Ampasimena, kaominina sy distrikan’i Morafenobe, ny talata 26 aprily lasa teo. Izy roalahy ireo izay marihina fa tompon’antoka tamin’ny fanolanana miharo famonoana an’ilay karana vavy, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nanapa-kevitra ny zandary fa ho any amin’ny trano fonenan’ireo jiolahy taorian’ny famotorana natao azy ireo, ny alarobia 27 aprily maraina tamin’ny 6ora, mba hanao fisavana. Tafatsoaka teny an-dalana ireo olon-dratsy ka voatery nitifitra ny mpitandro filaminana, araka ny vaovao avy amin’ny zandary. Vokany, maty tsy tra-drano ireo olon-dratsy. Natolotra ny fokonolona ireo razana. Nandray fepetra ihany koa ny ofisie mba hanao fanadihadiana lalina momba io raharaha io.

Raha tsiahivina dia karana vavy iray no hita faty nitsirara tao amin’ny trano fonenany ny alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny 1ora maraina, tany ho any. Tamin’ny fizahana natao no nahalalana fa maty nisy nanolana ny tenany satria niboridana tanteraka izy ary silipo sisa no teny ankodiny. Mitohy ny fanadihadiana.

 

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre