Vous êtes ici :

Dimanche 05 Mai 2024

ombre

NY TOETRA MPANAKIANA

Isika rehetra dia nantsoina ho mpitarika. Ny tenantsika no nanendrena antsika ho mpitarika voalohany indrindra, hahaizana mitondra tena tsara, hananana fiadanana.

Vokatry ny ratram-po mahazo ny olona tsy mandray andraikitra ny amin’ny tenany ny toetra mpanakiana. Misafidy ny hahery setra izy manoloana ny hatezerany, vonona handratra amin’ny valifaty. Toeram-pamaharan’ny fanahy ratsy ny hatezerany ary ratsy ny asan’izany olona izany. Ny famelan-keloka kosa no fanafodiny.

 

Nohariana hifandray isika olombelona

Ny toetra mpanakiana dia hita amin’ny fomba fifandraisana andavanandro ary efitra mampisaraka ny olona tsy hihavana.

Marihina fa na aiza na aiza toerana misy antsika sy ny andraikitra sahanintsika dia manan-danja sy sarobidy ny fifandraisana amin’ny olona. Nohariana hifandray ny olombelona.

Ny Baiboly dia milaza hoe : “ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra” (Romana 12:18). Filaminana sy fahatoniana no endrik’izany eo amin’ny fiarahana monina.

Tsy tokony hifampiolonolona ny mpiara-monina nefa tsy voatery hifampitakosina.

Ny olona samy hafa amiko (toetra, fomba fijery, safidy, fiaviana, firazanana, fari-piainana, finoana, fomba fanao…) na izay heveriko ho ratsy noho izaho dia tsy voatery hiadiko na hankahalaiko. Ny ankohonako (vady aman-janaka, fianakaviana) sy ny namako sy ireo iray lasitra amiko (mpiray asa, mpiray finoana, mpiombona antoka)  dia tokony hifankatiavako. Tsara tandrovina ny fifampitokisana ao anatin’ny fifankatiavana. Misy fifandraisana salama ao anatin’ny fifankatiavana sy ny fihavanana. Fo tsotra sy saina madio te hifandray no ilaina.

 

Iza no manao inona ary amin’ny fomba ahoana?

Te hanao ny zavatra rehetra amin’ny fomba rehetra ny olona tsy manana fahafenoana ao anaty. Ratra any anaty no mahatonga izany.

Betsaka amin’ny mpamily fiara no te ho Polisy manafay ny mpitondra fiara namany sasany. Dia miady sy mifandona eny amin’ny arabe ka miteraka fitohanana manahirana ny fifamoivoizana. Raha mpamily hianao dia mitondra fiara amim-pahamendrehana no tokony hataonao eny an-dalana. Avelao ny Polisy hanao ny asany.

Ny mpitory teny dia manambara ny fitiavan’Andriamanitra sy mitaona ny olona hiala amin’ny ratsy ka handray famelan-keloka. Izay no niantsoana azy. Tsy mpitsikilo izy ka ho mpitati-dresaka handotoana ny hafa na koa mpitsara ka hiapanga sy hanameloka olona. Mpanorina fiadanana no asany, dia manefa izany amim-pitiavana.

Fantatrao ve ny toerana misy anao eo amin’ny fiainana, ny anjara asa, ny fiarahamonina? Dia aza mihevitra ho mahavita ny zavatra rehetra sy ho mahay ny zavatra rehetra fa izay talentanao sy anjara asanao ary ny toerana nametrahana anao ihany no mampahomby anao.

 

 

 

Endriky ny toetra mpanakiana.

Tia manara-maso ny fiainan’ny hafa ny olona manana io toetra io. Fahafinaretany ny mitsikilokilo sy miteniteny olona nefa ny fiainany tsy manao ahoana loatra.Tia manala baraka  raha vao mahita hirika kely hanaovana izany, manaratsy sy mandrangitra ady. Misy fialonana koa izy. Satria tsy nahomby ny fiainany dia tokony tsy hahomby koa ny hafa, ary miezaka ny hamingana. Manao ny tenany ho ambony sy tsara miohatra amin’ny hafa izy ka izay tsy manaraka azy dia haratsiany sy enjehiny.

Marihina hatrany fa nohariana ho amin’ny fahasamihafana isika ary tokony hanaiky izany. Manaja ny safidin’ny tsirairay Andriamanitra ka tokony avela hisafidy ny mety aminy ny olona. Afaka mandresy lahatra hianao fa tsy natao hisafidy amin’ny toeran’ny olona ka hiady amin’izay tsy mitovy hevitra aminao. Matetika ahitana olana henjana ny mahakasika izany eto amintsika, indrindra eo amin’ ny lafiny politika sy ny fivavahana.

Olona mahatsiaro tena ho ambany no manana toetra mpanakiana. Tsy manana fahafenoana any anaty izy, araka izay nambara tany aloha. Tsy manana antoka ny fiainany.

 

Ny fiarovan-tena

Fiarovan-tena ataon’ny olona ihany no mahatonga azy mino fa manana ny marina izy  na miady ho an’ny fahamarinana. Noho izany, afaka miaina ny toetra mpanakiana. Marihina fa tsy mampiarina ny olona na mampitombo ny soa ho azy ny fanalana baraka ny hafa sy ny fitia hanisy ratsy (toe-po no resahana eto). Ny tsara ataonao sy ny toetra tsara anananao ihany no hitahian’Andriamanitra anao. Anaronana vetivety ny fanaintainana mahazo ny fo maratra ihany koa ity toetra ity fa tsy manasitrana velively. Hanenina mafy izay manana azy io rehefa vita ny natao ary hitombo indray ny fanaintainana. Namadika an’i Jesoa ka nanolotra Azy homboana tamin’ny hazofijaliana no ahalalan’ny olona an’i Jodasy. Tena nanana toetra mpanakiana koa anefa izy. Feno fanaintainana ny niafaran’ny fiainany ka nahatonga azy hamono tena.

Aleo miaiky ny faharatsiana ary manaiky havaozin’Andriamanitra raha manana io toetra io ianao. Aza mihevitra ihany koa fa hoe maratra hianao dia izay no mahatonga anao hanao  ireo toetra ratsy ireo. Fanilihana andraikitra izany ary fialan-tsiny mba hanamarinan-tena.

 

Fomba salama anehoana ny hatezerana

Iainantsika isan’andro ny alahelo, ny fahadisoam-panantenana, ny fiferotan’aina, ny tsy fahafaham-po izay miteraka fahatezerana. Mahasalama ary mahomby ny fanehoana izany amin’ny fomba salama.

Raha misy zavatra mahatezitra na manahirana anao amin’ny fifandraisana amin’ny hafa dia tena afaka maneho izany ianao raha tokony hanao izany fa tsy atao resa-be fotsiny. Fadiana ny manondro sy miampanga ilay olona raha miresaka. Manana tanjona hanova ny toetra ratsy ny olon-kendry fa tsy ny hiady aman’olona. Mila tony tsara ny fo vao miresaka. Resahana ny zavatra nataon’ilay olona izay tsy ekena sy ny fihetseham-ponao ary ny vokatr’izany eo aminao sy ny faniriana any anatinao.

Ohatra: “tsy naverinao tamin’ny fotoana ny vola nindraminao tamiko dia sahirana mafy aho fa tsy nisy andoavako ny hofan-tranonay. Tiako raha mba averinao ny volako.”

Tsy afaka manova olona isika ary tsy tokony hanery azy hiova mba tsy hosahirana. Ekena amin’izay maha izy azy izy rehefa tsy mety miova. Ianao amin’izay no manova ny tenanao indray mba hampilamina anao. Mety hamoy ny trosa ianao na tsy hampindrana intsony.

 

Ny fanetren-tena

Manatanteraka ny vina ananany amin’ny fenetren-tena ny mpitarika mahomby.

Matetika dia mila amoizan-javatra na anaovana sorona ny fifandraisana. Andriamanitra kosa manandratra ny manetry tena ary manonitra izay very.

Misy rafi-piarahamonina isan-karazany amin’ny sehatra sy ny toerana rehetra misy antsika. Avy amin’Andriamanitra izy ireny ary natao ho hajaina mba hisian’ny filaminana sy ny fahombiazana. Mety tsy mahafaly anao ny mpitarika voatendry eo fa fanetren-tena lehibe sy mendrika ny fanajana ny rafi-piarahamonina sy ny olona amin’ny toerana misy azy. Toa anao ihany koa izy ireny, manana fahalemena nefa maniry ny hotiavina. Tsy voatery ho mendrika noho izy koa anefa ianao izay manohitra azy. Mpitarika mahomby ianao raha mahay manaja ny mpitarika anao.

Mila manana fanetren-tena ny olona rehetra amin’ny teny aloaky ny vava fa io no maneho ny fahendrena sy ny hadalana any anatin’ny fo. Tsy mampaka-peo ny mpitarika mahomby. Avy amin’ny fahaizany mihaino ny hafa sy ny fahamatorany mamaha olana ny fahefana ananany.

Ny olona tia ady sy vavana dia mandranitra ny lelany tahaka ny bibilava ary tsy hampitoerina amin’ny tany ny olona mahay vava. (Salamo 140) Aleo mianatra mangina fa tsy resy ianao akory fa olon-kendry sady manan-tsaina. Misy voninahitra amin’izany.

Ny fanetren-tena dia mamela an’Andriamanitra haka ny toerany fa Izy irery no tokana sady hendry. Sombintsombiny ny marina ananantsika ka tsy tokony hirehareha amin’izany isika.

 

Ny lalàna

Napetraka mba hampirindra ny fiarahamonina ny lalàna sady natao harahin’ny rehetra.

Tsy te hanara-dalàna ny olona, noho ny antony isan-karazany. Ny ratra any anatin’ny fon’ny olona no anamarinany tena mba hanohitra sy hiodina amin’ny lalàn’ny fiarahamonina. Tsy manana ny rariny izy amin’zany satria manary tena tsy ho ao anatin’ny fiarahamonina ka mitoka-monina. Olana izany ka mila fanasitranana.

Miala amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny mpivavaka manohitra ny lalàna eo amin’ny fiarahamonina ary tonga fitaovana ho an’ny ratsy. Betsaka ny mpivavaka no manao hoe efa novonjena ka tsy ambany lalàna fa ambanin’ny fahasoavana. Manao izay tiany hatao izy ary tsy afaka amin’ny toetra ratsy. Tsy nandrava ny lalàna fa nanatanteraka azy i Jesoa Kristy. Manara-dalàna ny olona manara-dia Azy, manomboka amin’ny fanajana izay voasoratra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Izany no mampiadana.

Ny olona tsy manaiky hofehezina dia manana olana amin’ny tenany, tsy ampy fanetren-tena.

Azo atao tsara ny mitsabo ny ratram-po mahazo mba tsy hitondrana tena amin’ny ratsy.

Afaka mandray fahafenoana ao amin’Andriamanitra ny olona rehetra mba hiantohany ny fiainany. Manana fiononana amin’izay anjara omen’Andriamanitra azy izy amin’izany.

Tsy voatery ho voalohany foana, tsy voatery ho tsy maintsy hiteny foana koa ary mety ho resy nefa tsy miady ary tsy mialona ny hafa.

 

“ Ry mpiatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, ary amin’izay vao hohitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao.”

“…fa amin’ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany mihoatra noho ny tenany.”

Matio7:5 – Filipiana 2:3

Hiatrika ny andro Pantekosta isika ato ho ato. Asan’ny Fanahy Masina ny mampiaiky ny olona ny fahotana izay vitany ka manafaka sy manavao antsika. Manana anjara amin’izany asan’ny Fanahy izany ny manana toetra mpanakiana rehetra. Araraoty ny androm-pamonjena!

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre