Vous êtes ici :

Lundi 06 Mai 2024

ombre

Fikambanana Anja – Mampirisika ny olona ho sahy hitory ny fanjakana

Tontosa omaly, teny amin’ny Fitsarana tampony, eny Anosy ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Tsaraleha Jean Arsène sy Rahoeliarison Haingo, filoha teo aloha sy vaovao ny fikambanana Anja na Association nationale pour la justice administrative. Rahoeliarison Haingo izay hitondra ny fikambanana ao anatin’ny 3 taona ho avy izao. Fikambanana Anja izay ivondronan’ireo rafi-pitsarana misahana ny raharaha hifanolanana amin’ny fanjakana. Betsaka ny raharaha hitoriana ny fanjakana, misy ny olon-tsotra sy ny fanjakana, ny mpandraharaha sy ny fanjakana nefa tsy mahazo rariny avokoa ireo olona ireo rehefa tonga eny amin’ny Fitsarana, noho ny tsy fahalalana ny paikady atao. Noho izay antony izay dia vitsy ny olona sahy mitory ny fanjakana ka ny fahatsapana izay toe-javatra izay no hijoroan’ny fikambanana Anja.

Ireto farany izay mandrisika ny olona hitory ny fanjakana amin’ny fitakiana ny zony sy ho sahy ihany koa hangataka onitra rehefa hita fa tokony hahazo izany. Tsy ampy anefa izay fahasahiana izay fa mila mahafantatra lalàna ihany koa ny tsirairay satria izay antony izay ihany no mahatonga ny fanjakana hanararaotra manao zavatra tsy ara-dalàna.

Mahaleotena ary tsy hanaiky ny faneriterena ataon’ny fanjakana ny fikambanana Anja. Noho izany, hanoro paikady ireo olona manana fifanolanana amin’ny fanjakana izahay amin’ny maha rafi-pitsarana misahana ny raharaha hifanolanana amin’ny fanjakana izay ka tsy hisy intsony ny fanararaotana ataon’ny fanjakana amin’ny olon-tsotra”, hoy ny filoha vaovao ny Fikambanana Anja, Rahoeliarison Haingo. Tsy hijanona amin’izay ihany anefa fa hiara-hiasa amin’ny holafitry ny mpanao gazety ny fikambanana ary vonona hanome fiofanana ny mpanao gazety ihany koa.

 

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre