Mahajanga – Telolahy nirongo basy poleta nanafika teratany Alemana
Nisehoana fanafihana jiolahy mitam-piadiana tany Maroala, fokontany Amborovy any Mahajanga, , ny 28 aprily vao mangiran-dratsy tokony ho tamin’ny 2ora sy 30mn. Telo lahy nitondra basy poleta iray sy sabatra no nanafika ny tranon’ny tompon’ny orinasa “Export tradyne”, izay teratany Alemana. Saika hanohitra ireo olon-dratsy izy ka nasian’izy ireo ny sabatra ny feny ary naratra mafy. Tsy nijanona teo fa mbola noterena hamoaka vola kanefa tsy nisy tao an-trano. Vokany, lasan’ ireo jiolahy ny solosaina enti-tanana iray, fahitalavitra iray, finday roa ary “camera” iray. Vaky nandositra ireto farany rehefa nahazo izay nilainy. Niantso vonjy teo amin’ny manodidina avy hatrany ilay lasibatra rehefa lasa lavitra ireo jiolahy. Ny fokonolona no namonjy sy nitondra azy tany amin’ny tobim-pahasalamana. Tsy misy atahorana ny ainy. Misokatra ny fanadihadiana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







