Vono olona – Mpampianatry ny CEg iray hita faty
Lehilahy iray 31 taona, izay mpampianatra ao amin’ny Ceg Ambohimpandrano no hita faty tao amin’ny toerana iray antsoina hoe Andriamanara, any amin’ny kaominina Imerintsiatosika, ny 26 aprily lasa teo, tamin’ny 7ora sy sasany hariva. Ireo fokonolona hamonjy fodiana sendra nandalo tamin’io toerana voalaza io no nahatsikaritra ny razana ka nampilaza ny tompon’andraikitra tao an-tanàna. Nidina teny an-toerana rehefa avy eo ny mpitandro filaminana niaraka amin’ny mpitsabo nanao ny fizahana. Nandritra izany no nahafantarana fa maty nisy namono ity mpampianatra ity satria nahitana faritra mangana ny hatony ary nivoaka rà ny orony. Ny fanadihadiana natao kosa no nahalalana ireo nahavanon-doza, izay mpiray tanàna aminy ihany saingy tsy mbola fantatra ny anton’ny famonoana. Efa eo am-pelantanan’ny mpitandro filaminana ireo nahavanon-doza.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







