Vous êtes ici :

Samedi 06 Décembre 2025

ombre

Mpitondra halam-bahoaka

Voaporofo tamin’ity faramparan’ny herinandro ity fa tena halam-bahoaka ity fitondram-panjakana mijoro ankehitriny ity. Lozam-pifamoivoizana maromaro izay nandratra sy namoizana ain’olona maro be ary nahasimban-javatra no tena nampiseho fa tofoka amin’ny mpitondra ny vahoaka. Niangona tany amin’ny filoham-pirenena sy ireo mpitondra Fanjakana ambony ny rihitra rehetra nefa rehefa tena dinihina amin’ny zava-misy dia ny mpitatitra no diso voalohany. Tsy i Hery Rajaonarimampianina velively no nitondra ireo fiara nahavanon-doza. Tsy ny governemanta ihany koa no tompon’ireo kaoperativa tsy mahavita manara-maso ny fiara sy ny olona ampiasainy. Tsy te hahalala izany anefa ny vahoaka fa ny nanome tsiny ny Fanjakana no nahamaika azy ireo. Tsy misy mahagaga izany satria na tsy tompon’andraikitra mivantana tamin’ny fisehon’ny loza aza ny mpitondra dia tsy afa-miala satria ny fitantanana tsy nahomby nataon’izy ireo no nahatonga izany. Gaboraraka loatra ny sehatry ny fitaterana eto amintsika satria tsy mampihatra ny lalàna araka ny tokony ho izy ny tompon’andraiki-panjakana. Fiara tsizarizary no ampiasaina hitaterana olona ary mpamily mamolava sy jiolahim-boto no omena andraikitra hitondra ny fiara. Tsy mahagaga raha mirarakompana ny loza. Tsy azo adinoina mantsy fa ireny fiara fitaterana ireny dia an’olon-tsotra mampiasa vola izay tsy te hahalala izay ho faty sy haratra any fa ny hampidi-bola be araka izay azo atao no mahamaika azy. Rariny ny azy satria fampiasam-bola no atao saingy kosa andraikitry ny Fanjakana ny manara-maso ny tsy mety rehetra ka manery ny tompon’ny fiara hikojakoja sy hampiasa saofera matotra.

Izany hoe rehefa tena dinihina dia rariny tanteraka ny an’ny vahoaka raha hitodika sy hanome tsiny ny mpitondra Fanjakana izay heverina ho fahefana mpampihatra ny fanarahan-dalàna ary ihany koa raiamandreny hiaro sy hiahy ny valalabemandry. Tsy nahavita ny andraikiny ny mpitondra ary tsy nahafehy ny asany ka izao faty olona mikararana izao no vokany. Tsy kisendrasendra na vao  tamin’ity indray mitoraka ity no nisian’ny loza mahatsiravina nisesy teto amintsika fa efa ela. Tsiahivina eto ny zava-nisy nandritra ny fotoam-pialan-tsasatra tamin’ny herin-taona fa am-polony maro ny olona maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana satria nivadika na nidofotra ireo fiara nofaina. Betsaka ny loza teny amin’ny lalam-pirenena tamin’ireny fotoana ireny ary dia izao mitranga izao indray. Somary nihavitsy ny loza teo aloha teo satria natsangana ny kaomity mpanara-maso ny fiara eny an-dalana saingy nanaovan’ny mpitatitra di-doha ny Fanjakana dia nilefitra. Dia io fa mitranga ny loza.

Tezitra amin’ny mpitatitra ny vahoaka ary tofoka amin’ny mpitondra Fanjakana ka tsy nampitony ny olona ny fandraisana fanapahan-kevitra fa hanasaziana ny kaoperativa nisy ilay fiara nahafaty ankizy. Angaha voasolon’izany ny ain-janak’olona? Tsy namafa ny alahelon’ny maro ary tsy nampitony ny ranomason’ireo ray aman-dreny voatery  handevin-janaka tsy fidiny ny fidodododon’ny Filoham-pirenena teny amin’ny hopitaly raha vao naheno ny loza fa vao maika nampitombo ny fankahalan’ny olona azy. Mampiseho izany rehetra izany fa efa tena halam-bahoaka loatra ity fanjakana ity ka na fo madio sy fanapahan-kevitra heverina fa mety aza no atao dia tsy mampiova na inona na inona izany. Efa be loatra mantsy ny fahadisoam-panantenana ka lasa mikipy sy manampin-tsofina ary mamono eritreritra manoloana izay rehetra lazaina sy ataon’ny mpitondra ny vahoaka malagasy. Mafampana ny toe-draharaha ka mila mitady fomba haingana hampitoniana izany ny mpitondra fa tena tofoka tanteraka amin’izy ireo ny vahoaka. Tsy vahaolana ary hitondra ho aiza ny fampiasana ny mpitandro filaminana ho hery famoretana handravana sy hanapenam-bava izay te hiteny sy hitaraina. Avelao ny olona mba hiteny izay maharary azy sy tsy zakany fa izany no fomba haingana indrindra hampitony ny fony sy hy fahadisoam-panantenany.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre