Ambohidratrimo – Naiditra “violon” ilay Mpamily mamo sy ny mpanampy azy
Nosamborin’ny zandary ary naiditra “violon” avy hatrany ilay mpamily taksibe sy ny mpanampy azy, mampitohy ny renivohitra sy Ambohidratrimo, ny sabotsy lasa teo. Mamo am-perinasa izy roalahy ireo, araka ny fanambarana naelin’ny mpandeha iray tao amin’ny pejy “facebook”( Fifamoivoizana eto Madagasikara) ka hitan’ny mpitandro filaminana. Noraisin’ny zandarimaria eny Ambohidratrimo avy hatrany ny andraikitra vao nahita izany izy ireo, mba hisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Tratra teny amin’ny tobim-piantsonana, teny an-toerana izy ireo ary tody soa aman-tsara ihany ireo mpandeha tao anatiny fa saika vao hameno indray hiakatra aty an-drenivohitra.
Nosamborina izy roalahy, nosintomina tamin’ilay mpamily ny fahazoany lalana mamily fiara ary nampidirina “fourrière” ilay taksibe. Misokatra ny famotorana.
Mba hisorohana haingana ny loza mety hiseho dia manentana hatrany ny tsirairay ny mpitandro filaminana amin’ny fanomezam-baovao.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







