Vous êtes ici :

Samedi 06 Décembre 2025

ombre

Ampitatafika hatrany Talatavolonondry – Mbola nampiteny azy ihany ny taksibe

Taorian’ny lozam-pifamoivoizana nampihoron-koditra niseho teto an-drenivohitra sy ny manodidina izay nahafatesana olon-dehibe sy ankizy kely maro be, ny zoma lasa teo iny dia mbola nampiteny azy ihany koa ireo taksibe ny faran’ny herinandro lasa teo. Avy any Talatavolonondry hatrany Ampitatafika dia mbola niseho lany ny loza nateraky ny tsy fitandreman’ireo mpamily taksibe. Mpandeha maherin’ny roapolo no fantatra fa naratra mafy hatreto.

Ny sabotsy maraina dia mpivavaka hihazo ny Talatavolonondry no navadiky ny fiara Sprinter, tany Ambohitrabiby. Fandehanana mafy no voalaza fa nahatonga ny loza. Vokany, mpandeha maromaro no naratra ary potika tsy nisy noraisina ilay fiara fitaterana. Toraka izay ihany koa ny nahazo ny taksibe iray, ny alahady maraina vao mangiran-dratsy, teny Malaza Ampitatafika. Ity farany izay nodomin’ny fiara tsy mataho-dalana ary nilatsaka teny an-tanimbary ny lohany. Naratra avokoa ireo mpandeha tao anatiny.

 

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre