Lozam-pifamoivoizana nahafaty ankizy – Hanara-maso akaiky ny fitoriana ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena
Mahakasika ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’ankizy mpianatra avy nitsangatsangana, tany Andranovelona, ny zoma lasa teo dia nandray fepetra hentitra ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Araka ny filazan’ny talen’ny kabinetran’ity ministera ity, Ralison Anatole Herimana dia ny niharam-boina no tsy maintsy mitory raha ny lalàna no jerena, eny fa na dia afaka manenjika avy hatrany izay tompon’adraikitra tamin’ireny voina ireny aza ny “procureur de la République”.
Faharoa, ny minisitera dia tsy mihevitra ny hamela irery ireo niharam-boina raha manan-kevitra ny hitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana izy ireo fa hanara-maso akaiky ny fizotry ny paikady mba hihatra araka ny tokony ho izy ny lalàna na eo anivon’ny zandary na ny fitsarana izay efa samy zatra manao ny asany.
Ankoatra izay anefa dia tsy maintsy misy fepetra manokana horaisina mba tsy hiverina intsony ny loza tahaka ireny. Misy ny mahakasika ny Fanabeazana manokana izay hanentanana ireo sekoly mitondra mpianatra mivoaka toy ireny mba hisy tompon’andraikira hanara-maso manokana ny fahatomombanan’ny fiara sy mpamily ary ny resevera. Mila manara-maso ihany koa hoe ilay tena mpamily tokoa ve no nitondra ny fiara. Hisy naoty avoaka sy haparitaka mahakasika izany amin’ity herinandro ity.
Hisy ihany koa fepetra hiarahan’ny derpartemanta maro manapaka ka tafiditra amin’izany ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, ny Fitaterana, ary ireo kaoperativa sy mpitatitra.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







