Sempama – Nankalaza ny 1 may niaraka tamin’ny mpampianatra rehetra
Voalohan’ny volana may, fankalazana ny fetin’ny asa. Nankalaza izany teny amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenana, niaraka tamin’ireo mpampianatra any amin’ny faritany 6 ny sempama, omaly. Nomarihina nandritra izany ny faha-18 taona nijoroan’ny Sempama sy ny faha-2 taona nitsanganan’ny kaofederasionan’ny Sempama. Maro ny zavatra niainan’ireo mpampianatra sy mpanabe mivondrona ao anatin’ny Sempama tao anatin’izay taona maro izay.Toy ny fahatapahan’ny karaman’ny sekretera jeneraliny nandritra ny 7 taona.. Teo ihany koa ny fitokonana notanterahin’izy ireo ny taona 2012, tamin’ny fitakiana ny fanafoanana ny mpampianatra Fram, izay voalaza fa tsy mendrika ny fampianarana sy ny fanabeazana eto Madagasikara ary nahatonga ny fanemorana ny fanadinam-panjakana Tsy nampihemotra ny sendika anefa ireny rehetra ireny fa vao maika aza nampahery azy ireo.
“Efa mpiara-miombon’antoka amin’ny fanjakana ny Sempama amin’izao fotoana izao. Tafiditra tao anatin’izany ny fikaonan-doha tamin’ny fampidirana ireo mpampianatra Fram 3 alina, tato anatin’ny telo taona nifanesy izay” hoy Raharivoatra Claude, filohan’ny Sempama.
Nentina nanamarihana izay tsingerin-taona roa sosona ny Sempama izay hatrany dia nisy ny fanapahana mofomamy sy fiaraha-misakafo nataon’ireo mpampianatra sy ireo mpanabe.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







