Ray aman-dreny variana nifety – Ireo zaza telo mianadahy maty kilan’ny afo
Nisehoana haintrano mampivarahontsana, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo teny Andavamamba, tokony ho tamin’ny 11ora tany ho any. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny fahamaizana fa ahiana ho fifampikasohan’ny herinatra. Vokany, zazakely telo mianadahy no kila forehitra ; 12 taona no lehibe indrindra ary 4 taona kosa ny zandriny indrindra. Iry voalohany maty teo no ho eo fa ny roa kosa tany amin’ny hopitaly no nindaosin’ny fahafatesana ny alahady maraina. Tsy tao an-toerana ny ray aman-drenin’izy ireo no niseho ny loza fa lasa namonjy fety nefa efa tao anaty torimaso tanteraka ireo zaza, araka ny vaovao voaray. Ny manodidina anefa efa afo nijoalajoala no nanaitra azy ireo. Nampandre ny mpamonjy voina, noho izany, no nataon’izy ireo voalohany ary niezaka nifanome tanana namono ny afo. Nisy kosa ireo olona sasany niezaka namoaka ny entana noho ny fahatahorana izay mety ho fiparitahan’ny afo.
Tsy nisy nahatsikaritra ny manodidina fa mbola misy olona ao anatin’ilay trano ka namono ny afo ihany no nifantohan’izy ireo. Araka ny fantatra hatrany dia efa maty ny afo izay izy ireo vao nahita ny vata-mangatsiakan’ilay zaza 12 taona efa kilan’ny afo saingy mbola nisy aina kosa ireo roa zandriny. Tsy naharitra ela tany amin’ny hopitaly kosa anefa ireto roa farany dia maty. Misokatra ny fanadihadiana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







