Fahatratrarana basy – Sarona tany amin’ny dahalo ny kalachnikov an’ny ben’ny tanàna
Raikitra ny fitsaram-bahoaka, tany Ambatofinandrahana, ny faran’ny herinandro lasa teo. Dahalo iray rain-dahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana no tra-tehaka ny fokonolona, tao Ampototra, fokontany Ambalamahatsara, kaominina Fenoarivo. Ilay dahalo izay tsy niala maina mihitsy fa maty vao navelan’ny mponina ary nampandre ny mpitandro filaminana amin’izay izy ireo taorian’izany. Nidina teny an-toerana ny zandary nanao ny fitsirihana ary sarona teny amin’ilay olon-dratsy ny basy kalachnikov iray. Tsy fantatra ny anaran’ilay dahalo matin’ny fokonolona fa tamin’ny fizahana natao ilay fitaovana no nahalalana fa an’ny ben’ny tanàna teo aloha ilay basy satria nahitana soratra hoe “Nom Fils ex-Maire” amin’ny tahon’izany. Noho izany, voarohirohy amin’ny firaisana tsikombakomba amin’ireo olon-dratsy izy ka nosamborina avy hatrany natao famotorana. Ny fatin’ilay dahalo kosa natolotra ny fokonolona mba halevina. Mitohy ny fanadihadiana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







