Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Loharanombato Itaosy – Voasambotra ireo mpanendaka sy mpamaky trano efa-dahy

Taorian’ny fitarainana maro be voarain’ny polisy eny Loharanombato Itaosy, mahakasika ny firongatry ny mpanendaka sy mpamaky trano dia efa-dahy malaza ratsy amin’izany asa izany no voasambotra nandritra ny hetsika manokana nataon’ny mpitandro filaminana sy ny andrimasom-pokonolona, ny 21, 22 ary 28 aprily lasa teo, teny Ampitatafika. Nandritra ny fanafihana niseho ny 5 febroary, ny 31 martsa ary ny 10 aprily izay nahalasana vola 190 000 ariary sy finday miisa 3 ary vary 4 kapoaka no nahafahana nisambotra azy ireo, satria tadidin’ireo lasibatra tsara ny tarehin’izy ireo. Taorian’ny fanomezam-baovao avy amin’ny olona sy ny fikarohana nataon’ny polisy dia voasambotra i Daniel, ny 21 aprily, tamin’ny 5ora maraina. Tamin’ny famotorana azy indray avy eo no nanoroany ireo namany 3. Natao ny velam-pandrika ka ny ampitson’ny 22 aprily, tamin’ny 7ora hariva ihany no tratra i Herman. Tsy nijanona teo fa nitohy hatrany ny fitadiavana ireo ambiny ka ny marainan’ny 28 aprily, tamin’ny 5ora no sarona i Jimmy sy Nono. Nandritra ny famotorana azy ireo no nahafantarana fa mpamerin-keloka, noho ny resaka sinto-mahery sy fanendahana i Daniel sy Nono ary Jimmy. Niakatra Fampanoavana, omaly alatsinainy izy efa-dahy.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre