Vous êtes ici :

Dimanche 19 Mai 2024

ombre

Tsiroanomandidy – Andrimasom-pokonolona maty novonoin’ny Das

Miseho lany ny fihoaram-pefy sy ny fanaparam-pahefana ataon’ireo mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Andrimasom-pokonolona iray no namoy ny ainy, noho ny hetraketrak’ireo miaramilan’ny Das, tany Ankianjandravonjy, fokontany Tranohaolo, Kaominina Ambalanirina, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny zoma 29 aprily, tamin’ny 10ora alina. Tsy dia fantatra ny anton’ny famonoana fa nosamborin’ireo miaramila ireo ity mpanao andrimasom-pokonolona ity ny androtr’io, tamin’ny 11ora antoandro. Rehefa tonga tany amin’ny birao izy ireo dia daroka sy vely vody basy no niainan’ilay lehilahy nandritra ny ora maromaro. Herisetra izay nitarika takaitra ary nitondra azy any amin’ny fahafatesana.

Nametraka fitairanana tany amin’ny tompon’andraikitra avy hatrany ny fianakavian’ilay niharam-boina manoloana ity herisetra nahazo ny havany ka nandray ny andraikiny iry voalohany tamin’ny fisamborana ireo nahavanon-doza mba hatao famotorana. Araka ny vaovao avy amin’ny zandary dia kaporaly sy “soldat de 1ère classe”, eny amin’ny R3A Betongolo no tompon’antoka tamin’ity famonoana ity. Misokatra ny fanadihadiana.

 

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre