Vous êtes ici :

Mardi 07 Mai 2024

ombre

Nosy varika – Mpangalatra lavanila matin’ny fitsaram-bahoaka

Mahazo vahana ny fitsaram-bahoaka eto Madagasikara, noho ny tsy fahatokisana ireo mpitondra fanjakana isan-tsokajiny. Saika isaka ny herinandro dia ahenoana faty olona matin’ny hatezeran’ny fokonolona, any amin’ny faritra, distrika, fokontany manerana ny Nosy. Tovolahy iray vao 25 taona indray no fantatra fa namoy ny ainy vokatr’izany, ny faran’ny volana aprily lasa teo. Tany amin’ny distrikan’i Nosy Varika, kaominina Ambodirano, ao amin’ny fokontany Andranomaitso no nitrangan’izany. Araka ny loharanom-baovao dia tratran’ny fokonolona nangalatra lavanila sy dipoavatra tany amin’ny toerana voalaza io ny antony namonoana azy. Leo ny tsy fandriam-pahalemana miseho lany any an-toerana ny olona ka tsy namela nahazo ireo mponina raha tsy niala aina mihitsy ilay olon-dratsy.

Taorian’ny fisehoan’ny famonoana dia nitolo-batana teny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana, ireo dimy lahy tompon’antoka, ny alin’io tokony ho tamin’ny 9ora. Iray hafa naman’izy ireo kosa mbola karohina amin’izao fotoana izao. Mba hitandrovana ny ain’ireo nitolo-batana anefa dia nalefa any amin’ny kaompania Mananjary izy ireo atao famotorana.

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre