Vous êtes ici :

Mardi 30 Avril 2024

ombre

Firenena eo ambany ziogan’ny vahiny !

Tsy afa-bela amin’ny loza mihitsy i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy. Ho an’ireo izao minomino foana dia lazaina fa ozona sy fahotana ary ota fady no mahatonga izany. Ho an’ny mpandinika kosa dia tsy fahaiza-mitantana avy amin’ny mpitondra no mahatonga ny firenena tsy mety tafarina. Lasa zanatany i Madagasikara tamin’ny 6 aogositra 1896 satria tsy nahay nitantana ny fanjakana ny mpanjakavavy. Mazava hoazy fa efa nolalaovin’ny vahiny an-taonany maro talohan’ny nandrodanany ny fanjakana ny fitondran’ny mpanjaka. Maro rahateo ireo mpamadika efa hatramin’izany fotoana izany koa tsy olana tamin’ny frantsay ny nandrombaka ny fahaleovantenan’i Madagasikara ary niditra nanjanaka sy nanandevo ary nandroba ny harem-pirenentsika. Feno 120 taona katroka aty aoriana, io ny mpitondra malagasy fa mbola eo ambany ziogan’ny mpanjana-tany iraisam-pirenena ihany. Dia ireharehana fatratra ny  fanamboniana ny frantsay amin’ny alalan’ny fandraisana ny fivoriamben’ny frankofonia. Tena hadinon’ny mpitondra tanteraka fa raha tsy notafihin’ny frantsay isika tamin’izay 120 taona lasa izay dia mety tsy ho toy izao fa nahay nivoatra samy irery teto. Ankehitriny anefa dia mbola miankin-doha sy manao rajakom-bazaha araka ny fitenenana ireo mpitondra nifandimby. Na inona na inona fanapahan-kevitra goavana raisina eto amin’ny firenena dia tsy maintsy tafiditra ao ny anaran’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy manam-bola hanatanterahana ny praogramany ny fanjakana fa tsy maintsy mitalaho any amin’ny vazaha vao sahy mirehareha. Tsy azo adinoina ary mbola resa-be ankehitriny ny fanaovana an’i Taolagnaro ho faritra manokana ho an’ny fampandrosoana. Tsy azo odian-tsy fantatra ihany koa anefa fa ny vondrona eoropeanina sy ny orinasa vahiny mitrandraka ny harena an-kibon’ny tanin’i Madagasikara no ao ambadik’izany tetikasam-pampandrosoana izany. Raha tsorina dia ny vahiny sy ny orinasa tsy miankina no manao ny asa fampandrosoana an’i Taolagnaro, matoa misy ny vokatra, fa tsy ny Fanjakana velively.

Tsy any Taolagnaro irery fa ny faritra rehetra manerana ny Nosy mihitsy no voakasik’izany. Ny ankamaroan’ny fotodrafitrasa rehetra vita dia saika avy amin’ny famatsiam-bolan’ny sehatra tsy miankina avokoa. Izany hoe tsy misy ilana ny mpitondra Fanjakana intsony raha toa ka vitan’ny tsy miankina ny asa rehetra. Resaka taratasy sy fihetsiketsehana ary ny fandaniana vola ihany no tena mba manavanana ny mpitondra. Tsy izany anefa no ilain’ny vahoaka fa tompon’andraikitra malagasy tena miasa ho an’ny firenena fa tsy hangata-bola etsy sy eroa fotsiny dia manao didy antsy dia avy eo milaza fa mahavita.

Azon’ny malagasy  atao tsara mihitsy ny mitrandraka ireo harem-pirenena fa tsy ilaina mpampiasa vola vahiny izany. Maro ny mpandraharaha malagasy no miliaridera afaka mampiasa vola hanaovana fitrandrahana  goavana ka hanomezana ampahany betsaka ho an’ny kitapom-bolam-panjakana. Maninona tsy izy ireny no amporisihina sy homena tombondahiny mba hanao ireo fitrandrahana fa tsy ny vahiny. Aiza ve koa latsaka ny 10% ny tamberim-bidy mba azon’i Madagsikara amin’ireo orinasa vahiny mitavana ny harena an-kibon’ny tany eto. Raha ny tokony ho izy dia tsy mila famatsiam-bola avy any ivelany izany i Madagasikara raha mahay mametraka paikady hitantanana ny hareny ny mpitondra ao aminy. Tsy izay anefa no mitranga fa atao varoboba sy zarazaraina amin’ny vahiny fotsiny ny tany azo trandrahina. Tato ho ato izao dia nomena ny sinoa avokoa izay toerana tsaratsara mety ahitana volamena sy vatosoa fa tsy mahazo mikitika ny malagasy mpitrandraka madinika. Tsy mahagaga mihitsy raha tsy mety mandroso ity firenena ity satria toa tsy miraika amin’izay tombontsoam-pirenena sy ny vahoaka ny mpitondra fa faly hizara fanomezan-dalana ho an’ny vahiny mpitrandraka fotsiny. Mety hahazoan’izy ireo vola be angamba ny famoahana ireny fahazoan-dalana ireny. Fitiavan-tena anefa izany fa tsy fitiavan-tanindrazana.

 

Ravalo tsy Manana

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre