Vous êtes ici :

Mardi 30 Avril 2024

ombre

Ambilobe – Fatin-dehilahy iray nihantona teny ambony hazo

Tranga iray nampihoron-koditra no hita, tao Laidama, akaikin’i Jean Louis, any Ambilobe, ny 2 may maraina lasa teo. Mpandeha vao maraina tany amin’io faritra io no nahatsikaritra zavatra nihantona teny ambony hazo. Akory ny hatairan’izy ireo fa fatin-dehilahy iray 30 taona any ho any ary voafatotra amin’ny tendany ilay izy. Nantsoina avy hatrany ny tompon’andraikitra teny an-toerana. Rehefa natao ny fizahana dia tsy fantatra mazava izay tena nahazo ity lehilahy ity ary fantatra fa ny alin’ny alahady izy no efa maty.

Raha ny fahitan’ny maro azy dia heverina ho namono tena izy saingy mbola tsy fantatra ny antony. Tsy azo lavina ihany koa anefa ny mety hoe nisy namono ity tovolahy ity ka nahantona teo ny vatana mangatsiakany satria tsy nivoaka ny lelany ary mbola teny amin’ny lohany ny satroka. Na izany aza anefa tsy nahitana ratra na dian-kapoka ny vatany raha ny fampitam-baovao voaray. Efa mandeha ny fanadihadiana.

 

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre