Vous êtes ici :

Vendredi 17 Mai 2024

ombre

Taksibe namono ankizy – Tsy nilefitra tamin’ny fangatahan’ny tompon’ny fiara ny minisitra

Na dia teo aza ny fitarainan’ireo tompona fiara sy mpamily ary resevera mahakasika ny fiatoan’ny asan’izy ireo tao anatin’ny 10 andro dia tsy nilefitra tamin’ny fangatahan’izy ireo ny minisitra Ramanantsoa Benjamina, izay misahana ny ministeran’ny fitaterana sy famantarana ny toetr’andro. Araka ny dinidinika, teny Ampasampito, omaly izay nangatahan’izy ireo amin’ny fanenana ny sazy mahazo dia hentitra ny tenin’ny minisitra hoe : “Ain’olombelona sy taranaka malagasy no resaka dia tsy handeferana ny mikasika izay. Natao hitaiza ny koperativa ka tompon’antoka tanteraka tamin’iny loza nahafatesana ain’olona maro iny satria mitatitra vahoaka».

Ankoatra ny famaizana ireo mpamily izay nahafaty olona, noho izany dia hisy ihany koa ny fanadihadiana ary efa miroso amin’izany ny Fitsarana amin’izao fotoana izao, ka tsy manakana velively ny andraikitra raisiny ny Fanjakana. Na izany na tsy izany anefa dia nanamafy ny minisitra Ramanantsoa Benjamina fa andraikitra iraisana iny loza nitranga iny satria samy tompon’andraikitra ary tokony hifanome tanana ny rehetra. Izay antony izay no hanomezana fiofanana ireo mpamily sy mpanampy azy mandritra ny 10 andro. Satria ny tanjona iombonana dia ny fametrahana fitateram-bahoaka hiaro ny ain’ny vahoaka. Tafiditra anatin’izany ihany koa ny firosoana amin’ny fitaterana maoderina mba hahafahan’ireo mpandraharaha amin’ny lafiny fitaterana hahazo tombontsoa.

Haharitra ora telo isan’andro ny fiofanana ka ny Att, Bianco, Croix rouge ary ny Sampan’asa misahana ny aro loza na ny “direction générale de la sécurité routière” no hanome azy. Tafiditra ao avokoa ny fampianarana fahaiza-miaina manoloana ny fihetsika jiolahimboto asehon’ireo mpitatitra.

 

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre