Vous êtes ici :

Vendredi 03 Mai 2024

ombre

Vavatenina – 8 mianadahy nahatratrarana basy sy bala maromaro

Ho famongorana ny tsy fandriam-pahalemana sy ireo atidoha mpikotrika izany dia olona miisa 8 mianadahy no eo am-pelatanan’ny polisim-pirenena, any amin’ny distrikan’i Vavatenina. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny olona tsara sitra-po no nahafahana nisambotra azy ireo, ny fiandohan’ity herinandro ity. Sarona niaraka tamin’izy ireo ny basy vita gasy miisa 2 sy bala miisa 7 nandritra ny fisamborana.

Izy ireo izay voafaritra fa isan’ireo olon-dratsy nampitondra faisana ireo mponina any an-toerana tamin’ny fanafihana mitam-piadiana niseho tany an-toerana efa an-taonany maro izay fa izao vao sarona. Nandritra ny fanadihadiana natao no nahalalana fa ao anatin’ny tambajotra izy ireo ary samy niaiky ny heloka vitany avokoa. Antenaina, araka izany fa  ho fongana ny tambajotran’ny mpanao ratsy any Vavatenina raha ny  eo amin’ny lafiny  fanafihana mitam-piadiana no resahana.

Hiaina ao anaty filaminana sy hatory milamina ihany koa  ireo mponina any an-toerana amin’izao fotoana izao raha toa ka tao anaty tsy fandriam-pahalemana sy horohoro tanteraka no niainana hatramin’izay. Amin’ity herinandro ity no hiakatra Fitsarana izy valo mianadahy ireo.

 

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre