Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Sendika mpibizina !

Nanaitra ary nahamenatra ny fihetsiky ny sendika sasany tamin’ny fankalazana ny andron’ny asa farany teo. Nizarazara tsotra izao ary samy nanana ny lalana nalehany. Nisy ireo nitondra sora-baventy teny Anosy izay somary nahamenatra ihany satria olona 10 na 20 isaka ny sendika no mba taorian’ny sorabaventy nolanjaina. Manaporofo izany fa tsy tena solontenan’ny mpiasa izy ireny. Nilaza mazava ihany koa ny CTM sy ny Sekrima fa tsy hiaraka amin’ny AFO sendikaly. Dia gaga ny vahoaka malagasy ary nametra-panontaniana hoe fa angaha tsy tanjona iray no katsahina dia ny fanajana ny zon’ny mpiasa eto Madagasikara? Fa maninona no misaratsaraka sy mifanavakavaka toy izany. Soa ihany ny AFO sendikaly fa tsy nanavakavaka ka nanasa ny rehetra teny Alarobia. Ireo tena azon’ny tsindry hazolena, ny mpanao asa tenany, ny very asa tsy mety mahita asa dia voaantso teny avokoa ary afaka niteny malalaka. Tsy navahan’ny AFO sendikaly ihany koa ny avy any amin’ny faritany. Tsy nisy nangataka tombontsoa manokana teny Alarobia fa tombontsoa iombonana ary ho fiarovana ireo mpiasa tena iharan’ny tsy rariny no feo niraisan’ny rehetra teny. Ireo nilahatra nitondra sora-baventy kosa toa lasa resa-be ambony kabary toy ny isan-taona ihany fa tsy hita izay vokatra. Iaraha-mahalala hatramin’ny ela mantsy ny tsianjery fanaon’ny CTM sy ny SEKRIMA isan-taona fa mitovy foana nefa tsy hita izay tena vokatra azo amin’izany. Mimenomenona etsy sy eroa dia mitabataba milaza ho mpiaro ny mpiasa nefa tsy misy fiovana akory ny zava-misy ankoatra ny resaka eny ambony taratasy.

Tsy hahita vokatra izany ny sendika raha tsy tena miray hina satria iaraha-mahalala fa ny mita be tsy lanin’ny mamba. Migrevy mitaky ny zony ny mpiandry fonja, tsy hitan’ny CTM, tsy manaiky ny tsy an-drariny mahazo azy ny mpiraki-draharaha, dia mangina ny mpiasam-panjakana hafa, voaroaka ny mpiasan’ny Air Madagascar dia mody tsy mahalala ny SEKRIMA. Inona ary ity mody fanina ity hoy ny fomba fiteny. Raha tena sendikalista dia tsy mijery resaka hafa afa-tsy ny fiaraha-mientana ho fiarovana ny zon’ny mpiasa. Rehafa tena jerena mantsy dia tsy tena miaro ny mpiasa akory ireny sendika isan-tsokajiny misy ireny. Vitsy dia vitsy no sahy mijoro nefa tsy misy manampy ihany koa dia rava maina ny fitakiana. Firifiry ny mpiasa voaroaka sy iharan’ny tsy an-drariny nefa tsy hita popoka izay antsoina hoe mpitarika sendika mba hifanome tanana sy hiray hina hitaky sy hanery ny hampiharana ny tena lalàna.

Tsy mahagaga raha sokajian’ny vahoaka ho mpibizina fotsiny ny ankamaroan’ireny mpitarika sendika ireny. Mody mitabataba mba hotapena-bava amin’ny fizarana tombontsoa manokana any ambadika any. Ho an’ny mpiasam-panjakana manokana dia iza tokoa moa no tsy mahalala fa tsy maintsy mila ranondranony amin‘ny firehan-kevitry ny fitondram-panjakana raha te hahazo toerana tsaratsara sy ambonimbony ary tsy ho  voakitikitika amin’ny halatra sy kolikoly madinidinika? Odian’ny sendika tsy fantatra izany ary mody ny “grille indiciaire” ihany no tabatabaina nefa betsaka ireo tsy mety amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana.

Ireo olom-bitsy sahy miteny sy milaza ny tsy mety hatrany no soketaina ho manao politika sy antoko mpanohitra. Mitovy ihany anefa ary vao mainka aza loza satria ireo minia mikipy sy manao izay hanafosafoana ny mpitondra no tena manao politika. Mody tsy miditra amin’ny antokom-panjakana izy ireny nefa kosa manao izay hamonoana afo sy hanakanana ny hafa tsy hiteny na tsy handre. Ireo sendikalisa rehetra tsy nanaiky ny hiray hina fa hizarazara hanao hetsika ho azy manokana tamin’iny voalohan’ny volana mey iny dia tena tompon’antoka amin’ny fizarazaran’ny mpiasa sy ny tsy fahombiazan’ny tolona sendikaly eto Madagasikara.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre