Ambanja – Olona enina indray no novonoin’ny fiara Sprinter
Nahery vaika ny lozam-pifamoivoizana niseho tany amin’ny lalam-pirenena Rn6, ny talata 3 may lasa teo. Taksiborosy iray marika Mercedes Sprinter manao zotra Antananarivo mampitohy amin’ny Antsiranana no nifatratra tao ambanin’ny kamiao, tany amin’ny 16 km tsy hidirana tany Ambanja, tokony ho tamin’ny 11ora maraina. Niainga avy aty an-drenivohitra ny alatsinainy hariva mba hihazo an’Antsiranana ilay taksiborosy. Tafatsofoka tany ambanin’ilay fiara vaventy mihitsy izy noho ny hamafin’ny fifandonana. Vokany, maty teo no ho eo avokoa ny olona nipetraka teo aloha ary anisan’izany ny mpamily. Ity farany izay tsy maintsy nosokirina vao tafavoaka tao. Naratra mafy daholo ireo nipetraka tao aorian’ny mpamily ka mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly. Fa araka ny vaovao voaray, mahatratra enina ireo namoy ny ainy tamin’ity lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ity. Fandehanana mafy teo amin’ilay fiara Sprinter no voalaza fa nahatonga ny loza. Nandeha 110km isan’ora ity farany nefa ao anaty fiolanana sady mitondra entana mavesatra.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







