Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Antsalova – Mpiandry omby maty voatifitry ny dahalo

Miha mahery vaika ny fampihorohoroana ataon’ireo dahalo, any amin’ny faritra Melaky amin’izao fotoana izao. Ny 3 may vao maraina, tamin’ny 5ora mantsy dia mpiandry omby iray no namoy ny ainy ary olona roa hafa kosa naratra mafy vokatry ny fanafihana mitam-piadiana niseho tany amin’ny fokontany Ankinajao, kaominina Bekopaka, distrikan’Antsalova. Dahalo miisa 10 nitondra basim-borona roa sy antsy lava lela no tonga masiaka tao an-toerana tamin’io fotoana io nikasa hangalatra omby tao am-bala. Nirefodrefotra ny feom-basy nandritra ny fanatanterahana ny fanafihana ka naha voatifitra sy nahafaty io mpiandry omby io. Tsy tongan’ireo malaso moa ny omby fa nandositra avy hatrany izy ireo vao nahita ny fatin’ilay lehilahy niampatra teo amin’ny varavaram-bala.

Nampandre ny zandary ireo mponina rehefa lasa lavitra ireo olon-dratsy ka raikitra ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny fokonolona.

 

L.N

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre