Fanafihana mitam-piadiana – Lasan’ireo jiolahy ny vola 150 000 ariary
Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tany amin’ny fokontany sy kaominina Anjijia, distrikan’Ambato-Boeny. Telo lahy nitondra basim-borona iray no nanafika vehivavy iray monina ao amin’io fokontany voalaza ery aloha io, ny 2 may lasa teo. Nanakoako ny poa-basy nandritra ny fotoana nanatanterahana ny fanafihana. Araka ny voalaza dia nanao tifitra variraraka ireo jiolahy hampitahorana ireo mponina. Taorian’izay, nopitsohin’izy ireo ny varavaran’ilay vehivavy mba hahafahana miditra ao an-trano. Raha efa izany dia nambanan’izy ireo basy avy hatrany izy sady norahonana ho faty mba hamoaka ny vola. “Aza manao fihetsika mahery fa raha tsy izany dia vonoinay. Araho fotsiny izay teninay dia tsy misy mahazo anao eo. Omeo aty avokoa ny vola rehetra any”, hoy ny iray tamin’ireo olon-dratsy nampitahotra ilay vehivavy.
Natahotra ny ainy izy ka nanaiky izay rehetra nolazain’ireo mpangalatra ary namoaka ny vola 150 000 ariary izay mba tahiry kely tao an-tranony. Nivoaka ny tranony kosa ireo jiolahy rehefa nahazo izay nilainy sady mbola nanapoaka basy hatrany hampitahorana ireo manodidina mba tsy hanaraka. Tamin’izay fotoana izay indrindra no niantefan’ny bala teny amin’ny lehilahy iray mpifanolo-bodirindrana amin’ilay lasibatra. Naratra voatifitra teo amin’ny tongony roa ilay lehilahy. Tsy misy atahorana kosa ny ainy ary efa nahazo fitsaboana sahaza azy izy.
Mahakasika ireo jiolahy hatrany dia tsy nisaron-tava izy ireo saingy tsy misy fantatr’ilay tovovavy, araka ny filazany tamin’ny fakana am-bavany azy. Misokatra ny fanadihadiana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







