Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Farafangana – Tovolahy iray maty nodomin’ny fiara

Nisehoana lozam-pifamoivoizana, tany amin’ny lalam-pirenena Rn12, distrikan’i Farafangana. Lehilahy iray 33 taona no namoy ny ainy, ny 3 may lasa teo rehefa nodomin’ny fiara marika Hyundai Fourgon, tao Nosivelo. Antony, niampita tampoka ny arabe ilay tovolahy araka ny vaovao voaray. Nanampy trotraka izany ihany koa ny fandehanana mafy teo amin’ilay fiara ka tsy nahatana ny familiana intsony ny saofera na dia niezaka nanitsaka hisatra aza. Vokany, maty teo no ho eo ilay tovolahy, noho ny fahaverezan-dra be loatra. Nidina teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana. Taorian’izay, natolotra ny fianakaviany ny razana. Notazomina ao amin’ny biraon’ny zandary any Farafangana kosa ilay mpamily nahavanon-doza atao famotorana.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre