Fenoarivobe – Omby telopolo norobain’ny malaso
Omby miisa 30 indray no lasibatry ny malaso, tany amin’ny distrikan’i Fenoarivobe. Andian-dehilahy miisa 15 nitondra basim-borona sy zava-maranitra no nanafika ny tanànan’Ambatofotsy be, kaominina Ankiranomena sady nanapoaka basy. Ny alin’ny 2 may, tamin’ny 11ora sy 15mn no nitrangan’izany. Samy namitsaka niaro ny ainy tsy ho faty ireo mponina tao an-tanàna rehefa naheno ny firefotry ny feom-basy.Fahalalahana ho an’ireo jiolahy izany hanatanterahana ny fakana izay entana ilain’izy ireo .Vokany, lasa ny omby telopolo an’ny fianakaviana maromaro tao an-toerana. Rehefa henon’ireo fokonolona fa nivoaka ny tanàna kosa ireo dahalo dia olona roa nivoaka avy hatrany, izay nihevitra fa efa lasa lavitra ireo mpanafika. Tazan’ireto farany anefa izy ireo ka norarafan’izy ireo ny tifitra ary naratra mafy.
Nifamonjen’ny fokonolona nentina tany amin’ny tobim-pahasalamana avy hatrany ary tsy misy atahorana ny ain’izy ireo. Nidina teny an-toerana kosa avy eo ny mpitandro filaminana nanao fizahana sy ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny fokonolona rehefa nampandrenesina ny zava-misy.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







