Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Mpamily taksibe mamo – Notanana am-ponja vonjimaika

Taorian’ny fakana am-bavany ireo mpamily taksibe mamo sy mpanampy azy anao zotra mampitohy ny renivohitra sy Ambohidratrimo dia natolotra ny fampanoavana ny alatsinainy 2 may lasa teo, izy roalahy. Ankoatra ny fisintonana ny fahazoan-dalan’ilay mpamily mitondra fiarakodia sy fampidirana “fourrière” ny fiara dia notanana am-ponja vonjimaika ny tenany raha toa ka nahazo fahafahana vonjimaika kosa ilay mpanampy azy.

Raha tsiahivina dia ny faran’ny herinandro lasa teo no nosamborin’ny zandary izy roalahy ireo rehefa nahita ny fanairana nataon’ny olona iray nandeha tamin’io taksibe io tao anaty tambazotra serasera “facebook” (fifamoivoizana eto Madagasikara). Tody soa aman-tsara moa ireo mpandeha rehetra tao anatiny tamin’io fotoana io.

 

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre