Maroantsetra-Toamasina – Rendrika ny lakana Ms Red Rose
Nisehoana lozam-pifamoivoizana an-dranomasina indray tany amin’ny fari-dranomasin’i Foulpointe-Mahambo, ny alin’ny 5 may lasa teo, tamin’ny 10ora. Lakana Ms Red rose avy any Maroantsetra hihazo an’i Toamasina no tra-doza vokatry ny faharatsian’ny andro. Noho ny hamafin’ny onja mantsy dia nidona tamin’ny vato ilay lakana izay nitarika ny fahavakisany. 10 ireo olona tao anatiny ary “equipage” avokoa, izay avy naka ny entan’i Dr Koicha avy ao La Réunion sy ireo mpiara-miasa aminy avy ao amin’ny Médecin de l’Océan Indien (MOI) izay manao asa fitsaboana maimaim-poana tany Maroantsetra. Voavonjy ara-potoana izany ka tsy nisy ny aina nafoy fa ilay lakana kosa rendrika tanteraka any ambany ranomasina. Nidina tany Mahambo avy hatrany mantsy ireo tompon’andraitra any an-toerana ka anisan’izany ny lehiben’ny faritra Analanjirofo Ramaroson Jacques nanetsika ireo mpitandro filaminana hamonjy ireo tra-doza. Omaly zoma, tokony ho tamin’ny 4ora maraina dia avotra avokoa ireo “equipage” ireo.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







