Hanatevenana ny traikefan’ny mpikirakira lalàna – Notoloran’ny Allianz boky saram-piantohana ny Enmg
Mba hanatevenana ny traikefan’ireo mpikirakira lalàna eto Madagasikara : ny mpianatra, ny mpampianatra, ny mpisolovava, eny fa hatramin’ny mpitsara am-perinasa dia nanolotra boky saram-piantohana ny “Ecole nationale de la magistrature et des greffes (Enmg)” ny Allianz France. Boky sy kapila mangirana mirakitra ny momba ny saram-piantohana an-jatony no natolotra maimaim-poana azy ireo, omaly maraina, teny amin’ny Enmg Tsaralalana. Saram-piantohana manaraka ny toetr’andro hatrany izy io ka zava-dehibe ny nahazoana azy , araka ny filazan’i Rasamimamy Angelain, tale jeneralin’ny Enmg.
Marihina fa ny fiantohana dia entina hamerenana ny fahavoazana miseho amin’ny fifaneraserana eo amin’ny samy olombelona sy amin’ny lafiny ara-barotra. Eto Madagasikara dia eo amin’ny lafiny fifamoivoizana an-tanety sy an-dranomasina ihany no tena ampiasan’ny olona ny saram-piantohana. Maro anefa ny zavatra azo ilaina izany ka anisan’izany ny fiantohana ny fiainana (assurance de vie). Manoloana izay indrindra dia misokatra ho an’ny olona rehetra izay liana mikasika ny saram-piantohana ny tranom-bokin’ny Enmg.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







