Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

« Fitsipi-panoratana ny teny Malagasy » – Hampianarana ny olona hahay hiteny Malagasy

Be loatra ny olona amin’izao fotoana izao no tsy mahafehy ny teny Malagasy. Tsikaritra izany eny amin’ny peta-drindrina, fahitalavitra, dokam-barotra, gazety, any am-piangonana, mandritra ny valan-dresaka, eny na ireo mpanoratra aza, indrindra ireo vao misondratra dia tena betsaka ny mandiso tsipelina. Manoloana izany indrindra dia namoaka boky i Lala-Rakotoson Raolisoa Julienne Agnès, mitondra ny lohateny hoe “Fitsipi-panoratana ny teny Malagasy”. Boky niarahany namolavola tamin-dRabenoro Claude ary navoakan’ny trano famoaham-boky Tsipika, ho fanamarihana ny faha-25 taona nitsanganan’izany tranom-pamokarana izany. Boky fianarana natao ho an’ny mpianatra amin’ny ambaratonga rehetra, ny mpampiasa ny teny Malagasy amin’ny haino aman-jery, gazety, revio sy boky izay maniry ny hahafehy ny fanoratana ny teny Malagasy. Tafiditra ao avokoa ny fianarana fanononana sy fanoratana ny teny Malagasy satria mampahafantatra ny toeran’ny tsindrim-peo ao amin’ny teny tsirairay ; manoro ireo karazan-tsirinteny enti-mamorona ireo sokajin-teny isan-karazany ; mampianatra ny fomba fanakambanan-teny sy izay takian’ny fampifandraisana ; mampiseho ny fampiasana mari-potoana ary manitsy ireo teny maro fampiasa sy mahazatra nefa disoina mandrakariva fa indrindra indrindra, mamaha ny olana amin’ny fampiasana ny “h”.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre