Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Ambohimangakely – Maty notsatohan’ilay tovolahy antsy ny raikeliny

Nisehoana vono olona nahatsiravina teny amin’ny fokontany Betsitsy kaominina Ambohimangakely. Tamin’ny fomba feno habibiana no nahasahian’ilay tovolahy namono nahafaty ny raikeliny. Teny amin’ny toerana atao hoe Ampanasana no nitrangan’izany, ny alatsinainy lasa teo. Efa ny alin’ny alahady no voalaza fa nisy fifamaliana teo amin’izy mianaka ireo. Ny maraina anefa dia mbola nitohy izany raha nampiseho ny alahelony sy ny zavatra tsy zakany ilay tovolahy ka niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana. Nanao tampody fohy naka antsy ilay tovolahy ary notrobarany teo amin’ny fon’ilay raikeliny. Nijininika eran’ny trano ny ra. Niezaka nitondra ny naratra teny amin’ny hopitaly ihany ny akaiky azy saingy tsy tana intsony ny ainy satria nisy lalan-dra tapaka tao amin’ny fony. Araka ny fanazavan’ny havan’ny maty dia niezaka nanasaraka ihany izy ireo fa tsy nahatohitra ny hafanam-pon’ilay nahavanon-doza. Fantatra ihany koa fa nandositra ity farany ary tsy hita izay misy azy hatramin’izao. Nandritra ny fotoana nifamonjena ilay naratra no voalaza fa nanararaotra nitsoaka izy. Eo am-pikarohana azy ny mpitandro filaminana sy ny fianakaviana ankehitriny.

Laurena Nany

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre