Fitondrana gaboraraka
Mpamosavy malemy ka ny ao an-trano ihany no aripaka. Ry zareo natao hitsikitsika hivavahana indray no toa lasa voromahery nipaoka ny akohokely. Tao anatin’ny herinandro iray monja dia nanao hadisoana tsy roa aman-tany ireo olona noheverina fa hiasa ho an’ny tombontsoam-pirenena sy ny vahoaka. Ny mpiandry fonja ihany mantsy no voalaza fa namoaka ny gadra tany Toliara. Avy eo indray dia mpanampy ny solombavam-bahoaka no voarohirohy amin’ny resaka rongony. Volam-panjakana sy volam-bahoaka avokoa no anakarama sy ameloman’izy ireny ny vady aman-janany nefa dia heloka be vava no setriny. Ankoatra ireo dia manala baraka ny andrim-panjakana sy ny minisitera misy azy ireny mpiray tsikombakomba amin’ny olon-dratsy ireny ary indrindra tena mandoto ireo lehibeny izay nametraka fitokisana taminy. Lasa ny solombavam-bahoaka sy ny minisitra ary ny mpiandry fonja no ratsy endrika eo imason’ny vahoaka nefa olom-bitsy mpamadika no nanao ny ataony.
Ifanilihana ireo rongony be notaterina tamin’ny fiara 4×4 miisa efatra. Amin’ny maha voasaringotra ny manam-pahefana ambony amin’ity raharaha ity dia manjavozavo ny toe-draharaha satria miasa ny vola sy ny kolikoly amin’ny alalan’ny fanelanelanana rehetra any ambadika any. Tsy misy sahy mitonona sy manondro mazava ireo tena atidoha sy tompon’antoka amin’ity heloka be vava ity hatramin’ny omaly. Mazava ho azy fa samy tsy te hiray petsapetsa ain’ity raharaha ity ny tompon’andraikitra rehetra tokony hisahana ny fanadihadiana sy ny fanenjehana. Io hakanosana sy tsy fahasahiana mijoro io ihany anefa no tsy mety mampandroso ity firenana ity. Fantatry ny mpanao ratsy izany ka mamporisika azy ireo hanao ny tsy mety satria rehefa tratra dia vitan’ny fifandaminana any ambadika any noho ny tahotr’ireo tompon’andraikitra hiditra an-tsehatra hanenjika manam-pahefana ambony toa azy ireo.
Ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly aza moa tonga dia niala andraikitra avy harany hoe tsy anjarany ny manao ny fanadihadiana. Iaraha-mahita anefa fa matoa ireo rongony 30 gony ireo afaka niala tany amin’ny toerana nakana azy dia nisy kolikoly tao. tsy azo inoana mihitsy hoe misy toerana fambolena rongony dia tsy fantatry ny sefo fokontany, sy ny kaominina ny fisiany. tsy azo eritreretina ihany koa hoe tsy nanandrana nanao kolikoly samihafa teny an-dalana ireo nitatitra izany. Farany dia lazain’ny Bianco fa kolikoly ny fanaovana fanaparam-pahefana amin’ny alalan’ny antsoina hoe “trafic d’influence” izay tena nataon’ireo nitatitra ireo zava-mahadomelina. Sady nilaza mantsy izy ireo fa mpanampy solombavam-bahoaka no nitoroka ihany koa fa minisitra no tompon’ny entana.
Amin’ny raharaha toy izao dia ireo mpikarama madinika sokajiana ho mpitatitra sy mpanaparitaka ny zava-mahadoelina eny amin’ny mpidoroka ihany no voasambotra fa ireo sefobe tsy mba voakitika. Matoa mitobaka mantsy ny rongony dia misy mampiasa volabe amin’ny fambolena sy ny famokarana azy ireny. Ireo mpanaparitaka eny an-tsena na ireo mpitondra avy any amin’ny faritany dia ireo sofifra sy mpiasa madinika ihany ka na hosamborina sy gadraina avokoa aza izy rehetra dia tsy hanafoana velively ny varotra rongony eto amintsika izany. Rehefa mbola misy mantsy ny vokatra dia hisy hatrany ireo mafiady tsy maintsy ho roboka hiasa amin’ny hitsinjarana izany zava-mahadomelina izany.
Reraka fotsiny ny zandary sy polisy manao ny asa fanenjehana satria tsy ho foana velively ity trafikana rongony ity raha tsy ireo mpampiasa vola mihitsy no fongorina hatramin’ny fotony. Mahakivy ny mpitandro filaminana ihany koa ny manao ny asany am-pahamarinana raha toa ka ho afaka madiodio hatrany ireo mpanao ratsy mahitahita sy mihevitra ho ambonin’ny lalàna.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







