Entanina hiloka sisa ny vahoaka !
Miroborobo fatratra ny fampiasam-bola amin’ny resaka filokana amin’izao fotoana izao. Manao tetikasa dia manao fangatahana fahazoan-dalana ary manokatra orinasa filokana na manolotra karazan-dalao hisintonana ny volan’ny vahoaka efa mafiady ireo mpandraharaha mitetika ny hangorom-bola nefa tsy manana vokatra mivaingana hamidy. “Lalao” no fiantsoan’ny maro azy mba hanatsarana ilay zavatra atao nefa raha ny tena izy dia loka no anarany. Miseho lany etsy sy eroa, miainga amin’ny tsipy kodiakely, sy karatra eny anelakelan-trano rehetra eny, hatramin’ny isam-pianakaviana dia roboka avokoa. Mitohy amin’ny antsoina hoe casino izay maniry toy ny anana etsy sy eroa ary tonga hatramin’ireo orinasa samihafa aza dia miditra amin’ny resaka loka. Tambatambazana amin’ny an-tsapaka ny mpanjifa ka omena lokabe izay mahazo amin’ny fisarihana. Ireo orinasam-pifandraisana aza moa dia tsy tahotra tsy henatra mihitsy manentana ny mpanjifa ao aminy mba handefa hafatra fohy “sms” marobe satria izany hono no mampitombo ny vintana hahazoana ny loka. Ny orinasa frantsay iray aza dia amin’ny fahitalavitra mihitsy no mampirisika mivantana ny mpijery fahitalavitra hiloka.
Matoa ireo mpandraharaha mifanosika sy mihazakazaka any amin’ny resaka fampilokana ny vahoaka dia mahita sy mahatsikaritra fa maro ny olona no roboka amin’ny kisendrasendra sisa. Te hanan-karena tampoka ny ankamaroan’ny vahoaka nefa tsy te hisasatra fa manantena ny vintana sy ny anjara fotsiny. Ny firoboroboan’ny filokana dia toro-marika iray maneho fa tena mahantra sy kivy ny vahoaka, ary tafalatsaka tanteraka ao anatin’ny fahantrana tsy ahitam-bahaolana ny firenena iray. Kamo hitady asa sy hiary ny vahoaka satria mahita fa na hiezaka be faran’izay tratran’ny heriny aza dia tsy hitondra vokatra firy izany. Mandainga izay tompon’andraikitra milaza fa ampy sy mahavelona ny ankamaroan’ny mpiasa ny karama isam-bolana. Miasa ny olona satria sitrany ahay vaza-mihetsika araka ny fitenenana. Mitovy avokoa ny tahan’ny karama amin’ny orinasa rehetra ary mbola maro ireo tompon’andraikitra manao izay hitsetsefana ny mpiasa ao aminy. Mangina ny Fanjakana manoloana izany rehetra izany ary nofoanana hatramin’ny departemantan’ny asa mba hanajanonana ny asan’ireo insepectera mpanara-maso ny tsy tomombana amin’ny fampiharana ny zon’ny mpiasa.
Vao havaloana izay no nankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny mpiasa nefa tsy hita akory izay tena vokatra azo teo. Vao maika aza nanalabaraka sy nahakivy ny mpiasa satria nifanipaka toy ny valala an-karona ireo mpitarika sendika izay hita mibaribary fa saribakolin’ny mpanao politika. Andaniny, misy ireo avo vava sy manao hetsika mba hanarontsaromana ny tsy fahombiazan’ny fitondram-panjakana. Ankilany, eo ireo mitratrevatreva mba hitadiavana fomba handrodanana ny fitondram-panjakana mijoro. Tsy nisy mihitsy mpitarika sendika, na iray aza, niteny sy nitaky ny tombontsoan’ny mpiasa rehetra tsy an-kanavaka fa saika nifantoka tamin’ny fiarovana tombontsoan’olom-bitsy. Ireo mpiasam-panjakana izao dia samy miaro ny sehatr’asa misy azy ireo avy ny mpiasa any amin’ny minisitera samihafa. Ireo milaza ho fikambanamben’ny sendika kosa dia tsy miafina miady mafy ho an’ny tombontsoan’olom-bitsy, toy ireo mpiasa voaroaka tao amin’ny Air Madagascar sy ny kaominina Antananarivo renivohitra. Maro anefa ireo mpiasa zara raha mandray karama mihoatra kely ny iray hetsy ariary isam-bolana ary tsy misy mpijery.
Tsy mahagaga raha kivy amin’ny afitsoky ny mpitarika sendika ny mpiasa ary mionona amin’ny vola kely vary iray venty raisina isam-bolana. Ny filokana sisa no antenain’izy ireo mba hitondra mirakla eo amin’ny fiainany satria mba misy horaisina raha sendrasendra ka itsikian’ny vintana ka mahazo amin’ny fisarihana. Ireo mpanam-bola rahateo tsy te hahalala izay ho fiantraikan’ny fanapariahana ny loka eo amin’ny fisainam-bahoaka ka manao izay danin’ny kibony manoloana ny fitondram-panjakana mamba noana ary toa saribakoly mpanome fahazoan-dalana fotsiny rehefa mahita ny mena miraviravy. Mbola ho ela vao ho avotra ity firenena ity.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







