Aceem Unity – Hetsika fankalazana ny faha-30 taona
1986-2016, feno 30 taona amin’ity taona ity ny vondrona fanabeazana Aceem. Telopolo taona nanabeazana ny tanora Malagasy ary telopolo taona nanomezana hasina ny tanora Malagasy. Satria ny fanomezana hasina ny tanora no fototra ijoroan’ny Aceem.
Hetsika ara-kolotoraly sy ara-panantanjahantena no nentin’ireo mpianatra manerana ny Nosy nanamarihana izany, teny amin’ny kianjan’Alarobia, ny sabotsy 7 may lasa teo. “Aceem Unity”, io no lohahevitra nentina nankalazana izany, izay marihina fa andiany faharoa izao natao izao. Fifankatiavana, firaisankina ary fahombiazana no notakiana tamin’io hetsika io. Tonga nanatrika ny fanamarihana niaraka tamin’ireo mpianatra ihany koa ireo mpampianatra sy mpanabe ary ireo ray aman-drenin’ny mpianatra, izay notarihin’ny filoha mpanorina, Ratrema William.
Ny tanjona dia ny hampifaly ny mpianatra, izay mivondrona ao anatin’ilay firaisan’ny Aceem Unity. Mandao kely ny dabilio ary mba mialavoly kely satria tafiditra hatrany ao anatin’ny fanabeazana ny fialamboly. “Ny tena tanjona tratrarina amin’ity Aceem Unity ity dia ny mba hisian’ny firaisankinan’ireo mpianatra ao anatin’ny vondrom-panabeazana Aceem. Tsy izy ireo ihany anefa fa ireo mpampianatra sy mpiara-miasa ao amin’ny Aceem rehetra ihany koa”, hoy Randriantsoa Tale cours Aceem Analakely.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







