Vous êtes ici :

Lundi 09 Février 2026

ombre

Analanjirofo – Nankalaza ny fanentanana ho an’ny fampianarana maneran-tany

Toy ny faritra rehetra dia nankalaza ny andro fanentanana ho an’ny fampianarana maneran-tany (Campagne mondiale de l’éducation) ihany koa ny faritra Analanjorofo. Tany Ambodivoanio Vavatenina no nanamarihana izany ny sabotsy lasa teo, izay notarihin’ny Lehiben’ny faritra Ramaroson Jacques. Be dia be ny hetsika nentina nanamarihana izany andro izany ary tamin’izay fotoana izay no nanoloran’ny Lehiben’ny faritra ny “fauteuil roulant” ny ankizilahy kely izay manana fahasembanana ara-batana any an-toerana. Tamin’io andro io ihany koa no nanararaotan’ny mponina nangataka ny hanamboarana ny lalana mampitohy ireo fokontany manodidina ary fantatra fa afaka herinandro dia ho tonga any an-toerana ireo fitaovana fanamboaran-dalana. Afaka herinandro ihany koa no voalaza fa hanolorana ny kojakojan-dakozia ho an’ireo vehivavy, izay tafiditra tamin’ny fankalazana ny andron’ny 8 martsa lasa teo.

Entina hanatsarana hatrany ny fari-piainan’ny mponina any an-toerana dia nanambara ity tompon’andraiki-panjakana ity  fa hisy ny fiaraha-miasa vaovao hiarahana amin’ny Nosy Maorisy mahakasika ny fanondranana ireo asan-tanana any Analanjirofo. Tsara ny zavatra vita Malagasy ary manan-danja izany any Maorisy araka ny voalaza. Noho izany, hisy mpanao asan-tanana avy amin’ity Nosy rahavavy ity ho tonga any an-toerana hanofana ireo mpikirakira izany asa izany.

 

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre