CNaPS –Dinec – Tsy hisy intsony ny mpanabe ho very zo
Zava-poana ny fahaizana tsy misy fahendrena. Izany no mahatonga ny sekoly katolika manaja ny fitsipika. Tsy ny mpianatra ihany no ilaina hanara-dalàna fa ny mpanabe ihany koa. Manoloana izay indrindra dia nomen’ny CNaPS fiofanana momba ny lalàna mifehy ny asa sy ny Lalànan’ny Fiahiana ara-tsosialy ireo mpitantana sekoly katolika any Toamasina, tamin’iny herinandro iny, izay tsy nifarana raha tsy 6 may lasa teo. Io no Diosezy faha-14 nahazo anjara fiofanana. Tanjona ny hanomezana fiahiana ara-tsosialy ireo mpampianatra katolika. Nampahafantarina azy ireo àry fa adidy fa tsy safidy ny fidirana CNaPS. Amin’izay dia tsy hisy intsony mpanabe ho very zo eo anivon’ny fampianarana katolika, araka ny nambaran-dRabenandrasana Alfred mpanofana eo anivon’ny Dinec. Tafiditra tao anatin’ny fiofanana ny fikarohana vahaolana manoloana ny zava-misy iainana, indrindra ho an’ireo sekoly katolika any amin’ny tontolo ambanivohitra. Nivoitra nandritra ny fiofanana ihany koa fa mbola tanora am-perin’asa dia mila omanina ny fisotroan-dronono. Vao miditra miasa ny mpiasa iray dia tsy maintsy miditra CNaPS araka ny lalàna velona, mba hahafahany migoka ny zony sy hahazoany ny tombontsoa amin’ny fiahiana ara-tsosialy. Marihina fa nanomboka ny taona 2015 ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







