Toamasina – Rongony 17 kg indray no sarona
Mbola mahazo vahana tanteraka ny tsy filaminana, any Toamasina. Saika ho isan’andro dia ahenoana tsy fandriampahalemana eran’ny fokontany ary misy hatrany ny fisamborana ireo mpanao ratsy. Telo mianadahy mpamatsy rongony no eo am-pelantanan’ny polisy any an-toerana. Ny zoma lasa teo no voasambotra izy ireo, ka ilay lehilahy voalohany sarona tao Tanamakoa, raha tao ka tratra tao Mangarivotra ny ramatoa iray sy ny lehilahy iray hafa. Nahatratrarana rongony milanja 16kg sy 300g iry voaloahany ary voalaza fa efa mpamerin-keloka noho io fivarotana rongony io hatrany. Ireo roa farany kosa, izay samy tompon’entana avokoa dia nahitana rongony 500g. Niaiky ny heloka vitany avokoa izy telo mianadahy ireo. Marihina fa fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po no nahafahana nisambotra azy ireo. Manoloana izay indrindra dia manentana hatrany ny fokonolona ny kaomisera Razafindahy Manitra Fleurys tsy hitsahatra hampilaza ny mpitandro filaminana rehefa mahita zavatra mampiahiahy mba hamongorana ny tsy fandriampahalemana izay mahazo laka tanteraka any an-tampon-tanànan’i Toamasina amin’izao fotoana izao.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







