Rn2 – Nieren-doza ireo mpanao gazety
Nitrangana lozam-pifamoivoizana tany amin’ny lalam-pirenena Rn2, ny sabotsy 7 may lasa teo. Fiara nitondra mpanao gazety avy tany Brickaville no tra-doza rehefa hitodi-doha ho any Toamasina, tokony ho tamin’ny 3ora sy sasany tolakandro, tany Ambodibonara. Valo lahy izy ireo no tao anatin’ilay fiara tsy mataho-dalana, avy namonjy fitokanana ny birao ifoton’ny fananan-tany. Niharam-boina izy ireo rehefa nandalo teo amin’ny fiolahana amoron’ny hantsana. Maty motera no nahatonga ny loza ka tsy nisy azo natao fa nikodia niala lalana ilay fiara ary nivarina any amin’ny hantsana ary tsy nisy nihetsika ireo tao anatiny. Saika ratsy ny nahazo ireo mpanao gazety satria nikodia tany amin’ny 800 m teo ho eo ilay fiara, vao tavela teo amin’ny sisin’ny hantsana voalohany sady nitongilana. Tamin’izay fotoana izay no nanararaotra nivoaka tsikelikely izy ireo ka izay tafavoaka no niezaka nitazona ilay fiara mba tsy hilatsaka any amin’ny hantsana faharoa mandrapaha tafavoaka ny rehetra. Tsy voatazona intsony kosa izany avy eo ka nivadibadika tany ambany tany. Tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy fa potika kosa ilay fiara.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







