Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Antoko politika maloto !

Nanaitra ny maro ny fanambaran’ny antoko politika madio (Apm) tarihin’i Gangstabab, tamin’ny faramparan’ny herinandro lasa teo fa nametraka taratasy fangatahana fametraham-pialan’ny Filoham-pirenena izy ireo. Raha ny lojika amin’ny tany demokratika mantsy dia efa lalao maloto ny fangatahana ny fialan’ny Filoham-pirenena. Mipetraka ny fanontaniana hoe miditra amin’ny politika maloto ve izany ny antoko politika madio ? Samy manana ny fomba fijeriny ny tsirairay ary ny eto Madagasikara rahateo efa mizara roa mazava tsara ny fomba fijery ara-politika. Ho an’ireo mahazo tombontsoa amin’ny fitondram-panjakana dia tsy maintsy hanome tsiny avy hatrany ny Apm satria mety hanozongozona ny fihinanan’izy ireo iny fanambarana iny. Ho an’izay tsy miara-mitsetsitra sy mitavana ny harem-pirenena kosa dia tsy maintsy hilaza fa manohana ny fanambaran’i Gangstabab. Rehefa tena dinihina tokoa mantsy dia tsy misy politika madio sy fitantanana madio izany intsony eto Madagasikara raha ny fiainan’ny malagasy no jerena. Tsy dia azo ianteherana intsony ihany koa izany hoe demokrasia izany satria voavidy vola sy voavono vorona amin’ny ramatahora samihafa izay sahy miana-kendry miteny ny tsy mety eto. Raha ny fahasorenam-bahoaka no henoina dia tena manana ny rariny toa ny antoko politika madio ary mihaino ny feon’ny maro an’isa matoa nanao iny fangatahana iny. Ry zareo rahateo efa nanipika mazava fa tsy hitarika olona hidina an-dalam-be velively ary tsy hanongam-panjakana. Izany hoe na dia mivaona amin’ny tena fitakiana demokratika aza ny fangatahana fametraham-pialan’ny filoha dia toa mbola tafajanona amin’ny lalao madio ihany ny Apm.

Hatreto aloha dia sahy mijoro ho tena mpitondra tenin’ny madinika ity antoko ity raha ny fanambarana farany nataony teo no dinihina. Sahy nilaza ny fanitsakitsahana matetika ny Lalàm-panorenana izy ireo, sahy niteny ihany koa ny tsy fandriam-pahalemana, ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny kolikoly sy ny loto rehetra misy eto Madagasikara. Izany hoe tena ny zava-misy marina iainan’ny vahoaka mihitsy.

Mahagaga anefa fa tsy mba takatry ny mpitondra fanjakana izany rehetra izany ary odiany tsy fantatra fa izao frankofonia izao ihany no mahamaika azy ireo. Na hiodin-kavia na hiodin-kavanana ity fitondrana ity dia tsy afa-miala fa misy maharary ao anatiny ao ary mampiseho ireny ny zava-misy rehetra amin’izao fotoana izao. Ekipan’ny solombavam-bahoaka sy fianakaviana akaikin’ny minisitra no tratra manao fanondranana rongony amin’ny taonina sady mbola fiaram-panjakana ihany koa no nitondrana izany. Anisan’ny natsikafon’i Gangstabab anefa ny fitiavan-tenan’ny solombavam-bahoaka izay mangataka fiara 4×4 nefa iaraha-mahita ny fahantran’ny firenena. Mahita 4×4 ihany ny sasany rehefa hitondrana rongony fa tsy mahita fiara handehanana hanasoavana ny vahoaka izay manakarama azy. Vao manomboka ity governemanta vaovao ity dia efa minisitera maro samihafa no mandringa noho ny tsy fahatomombanana avy ao anatiny. Voalohany amin’iny ny Asam-panjakana satria fianakaviana akaikin’ny minisitra mihitsy no tratra nanondrana rongony. Mbola itambesaran’ny fitakian’ny inspekteran’ny asa ihany koa ity minisitera ity noho ny fanafoanana ny departemantan’ny asa. Eo ihany koa ny minisiteran’ny fitsarana izay tsy mety afa-bela amin’ny fitokonan’ny mpandraharahan’ny fonja. Vokany, variana mifampitsapa hery ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny mpiandry fonja dia vaky ny fonjan’i Toliara ary mitaraina ny polisy sy ny zandary fa tsy misy toerana intsony hametrahana ireo mpamono olona satria tsy mandray gadra vaovao ny mpiandry fonja. Ny minisiteran’ny Fitaterana ihany koa dia mangozohozo noho ireny lozam-pifamoivoizana nisesy namoizana ain’olona tsy manan-tsiny ireny. Fanapahan-kevitra tsy voadinika no noraisana hampiatoana ny asan’ireo mpitandro filaminana misahana ny fifamoivoizana dia loza tsy roa aman-tany no vokatr’izany. Mbola fanapahan-kevitra an-kamehana ihany koa ny fampiatoana ireo taksibe tsy hiasa ka lasa ny vahoaka no mandeha an-tongotra. Tsy kely fa goavana ihany koa ny fitokonana ataon’ny mpampianatra manoloana ny tsy fitovian-kevitra amin’ny minisiteran’ny fampianarana. Politika maloto avokoa izany rehetra izany. Ho aiza ary ity firenena ity ?

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre