Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Ambatobe – Vazaha hita faty tao an-tranony

Rangahy vazaha iray, tokony ho 70 taona eo ho eo no hita faty tao amin’ny trano fonenany, omaly maraina, teny Ambatobe. Mpiasa tonga hamonjy fiasana tamin’ny 7ora no nahatsikaritra ny razana nipetraka teo ambony seza. Tsy nanampo na inona na inona izy tamin’izany fa noheveriny fa maka aina vao maraina eo ambony seza fotsiny ity mpampiasa azy. Rehefa noarahabainy anefa izy tsy namaly. Toetra tsy mba fanaony mihitsy ka gaga izy ary nojereny akaiky ilay rangahy. Akory ny hatairany fa tsy miaina intsony fa efa maty. Nampandre ny tompon’andraikitra avy hatrany ilay mpiasa ka nidina teny an-toerana ny polisy sy ny mpitsabo nanao ny fizahana. Fantatra tamin’izany fa nisy namono ilay vazaha satria nahitana mangana teo amin’ny tarehiny. Araka ny tombana dia efa maty izy vao napetraka teo ambony seza mba hiheveran’izay mahita fa fahafatesana voajanahary no nahazo azy. Tsikaritra ihany koa fa nanjavona ny vata fasiana vola tao an-tranony ary tsy fantatra ny isan’ny vola tao anatiny. Mbola tsy misy ny olona ahiana ho nahavanona ny loza hatramin’izao. Misokatra ny fanadihadiana.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre