Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Fifampikasohan’ny herinaratra – Nirehitra ny sekoly Lma

Omaly maraina, nirehitra tampoka ny efitrano fanaovana lanonana ao amin’ny  lisea Moderne Ampefiloha (Lma). Nikoropaka ireo mpianatra sy mpanabe vao nahita setroka nivoaka avy ao amin’ilay efitra satria efa tao anatin’ny fianarana tanteraka izy ireo no niseho ny loza. Samy nikoropaka nanavotra ny tenany ny rehetra. Ireo tompon’andraikitra kosa niantso avy hatrany ny mpamonjy voina. Nidina teny an-toerana ny fiara miisa 2 namono ny afo ka voafehy ara-potoana ihany ny fahamaizana. Araka ny filazan’i provizera Razakamanana Nirina dia fifampikasohan’ny herinaratra no nahatonga ny loza. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra fa ho fisorohana ny loza mbola mety hitranga dia naato ny fampianarana ao amin’ny Lma amin’izao fotoana izao. « Najanona tsy hianatra ireo mpianatra fa amin’ny alakamisy maraina vao miverina mamonjy fianarana. Mbola hiantso Jirama izahay hamerina ny « installation » rehetra sao mbola  misy ankizy mikitikitika ka lasa miteraka fifampikasohan’ny herinaratra fanindroany indray », hoy ny fanazavan’i Razakamanana Nirina hatrany.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre