Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Herinandro taorian’ny voina – Niverina nianatra ireo mpianatry ny Pepite d’or

Herinandro mahery taorian’ny voina izay nahafatesana mpianatra miisa 6 tao amin’ny sekoly Pepite d’or vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tany Mahitsy dia niverina nianatra ireo mpianatra rehetra ao amin’izany sekoly izany, omaly  alatsinainy 9 may. Tsy niverina nianatra fotsiny amin’izao anefa ireo ankizy ireo fa nitondra tohana ara-tsaina ho azy ireo sy ny ray aman-dreniny ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Nidina teny an-toerana ny minisitra Rabary Paul, niaraka tamin’ny ekipan’ny Institut d’hygiène social sy ny mpitsabo ara-tsaina, nitondra ny fanampiana ho an’ireo mpianatra iray kilasy tamin’ireo namoy ny ainy sy naratra ary ireo ray aman-dreny nanana zanaka maty sy manana zanaka naratra. Izay marihina fa miisa 3 izy ireo mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly.

« Hisy ny fotoana hiarahan’ny ministera sy ny ray aman-dreny mandritra ny tohana ara-tsaina izay hatao. Tsy izay ihany anefa fa mbola hisy ihany koa ny resaka hifanaovana amin’ny fanampiana sy fifanohanana azy ireo », hoy ny ministra Rabary Paul. Mba hisorohana ny loza tahaka iny niseho iny dia nanamafy kosa ny Cisco fa manomboka izao dia tsy maintsy mandalo ao amin’izy ireo avokoa ny sekoly miankina na tsia rehefa handeha hanao « classe verte ». Hisy ny sivana hatao ka ny kilasy Cp2 midina tsy avela handeha satria mbola kely loatra izay mitaky fanaraha-maso be dia be. Tsy izay ihany fa hojerena akaiky ny resaka saram-piantohana sy ny fifehezana ary ny fanaaha-masomisy eo amin’ny sekoly. Hisy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny Att sy ny zandary izay hisava ny taratasin’ny fiara ka haverina avy hatrany rehefa tsy nahazo alalana. « Marihina fa tsy vao izao fa efa nihatra tany amin’ny sekolim-panjakana izy io saingy izao vao hampiharina aty amin’ny sekoly tsy miankina na manana pascoma izy na tsia mba hahitana ara-dalàna sa tsy ara-dalàna ny fahazahoan-dalàna », hoy kosa Rakotozafy Ramasy Harisoa, tompon’andraikitra ao amin’ny Cisco.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre