Ambohimangakely – Zazavavy iray maty nofaohin’ny fiara
Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafatesana zazavavikely iray 12 taona indray, teny Ambohimangakely manakaiky ny tobin-tsolika Jovenna. Niampita ny arabe ilay zaza no voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana, marika Toyota. Nijininika ny ra ary teo no ho eo ihany dia tsy tana intsony ny ainy. Vao nahita anefa fa namoy ny ainy ilay zaza dia nandositra avy hatrany ilay mpamily nahavanon-doza saingy tsy lasa lavitra akory dia tratra. « Tsy nijanona io fiara tsy mataho-dalana io ka voatery nifanenjehan’ny olona nanatri-maso ny loza. Tsy lasa lavitra teo akory anefa dia voasakan’ny fiara taksibe ka nijanona ihany. Tezitra tamin’ny fihetsiny ny olona ka saika hampihatra fitsaram-bahoaka avy hatrany. Soa fa tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana nanala azy teo », hoy ny loharanom-baovao.
Fotoana fohy taty aoriana anefa dia voalaza fa votsotra ilay mpamily nahavanon-doza satria olona manana ny maha izy azy. Araka ny vaovao voaray hatrany dia handeha hihazo ny seranam-tsambon’i Toamasina io fiara io ka tsy maintsy nalefa. Tsikaritra noho izany fa tsy misy vokany ny fanentanana ary tsy natao ho an’ny olona rehetra ny lalàna fa ho an’ny madinika ihany. Efa nisy ihany koa ny hetsika fanairana nataon’ny olon-tsotra ny mpitondra fiarakodia manoloana ny fandehanana mafy sy ny tsy fitandremana izay namoizana ain’olona maro saingy rano nararaka an-damosin’ny gana ireny rehetra ireny satria mbola mitohy hatrany ny loza.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







