Firenena tsy hita tabilao!
Ireharehan’ny mpitondra Fanjakana fatratra ny fandalovan’i Ban Ki-Moon eto Madagasikara hatramin’ny omaly tolakandro. Lazain’ireo mivelona amin’ny karama azo tamin’ny volam-panjakana fa zava-dehibe ity fitsidihana ity satria manaporofo ny faneken’ny sehatra iraisam-pirenena fa mpikambana feno eo anivon’ny firenena mikambana i Madagasikara. Indrisy anefa fa tsy nitondra fiovana firy tamin’ny fampandrosoana ny firenena izany maha-mpikambana izany. Lasa famenoana isa fotsiny sisa ity Nosy Mena ity satria izany firenena mikambana izany dia tsy mahafoy velively izay fanampiana tena ilaina ho fampandrosoana an’i Madagasikara. Maro ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana eto saingy toa tsy hita mivaingana izay vokatra avy amin’izy ireny. Misy Unicef efa an-taonany maro eto nefa toa tsy mbola hita taratra akory izay tena fivoarana amin’ny fitsinjovana ny reny sy ny zaza. Ny fihetsiketsehana no be dia be fa ny tarehimarika tsy misy fiovana firy. Misy FAO eto nefa tsy mety mahaleo tena amin’ny famokarana ara-tsakafo ny malagasy ary tsy mety fongana ny andiam-balala. Misy hafa toy ny Unesco sy ny Pam, sns eto nefa tsy hita izay tena fivoarana. Tsy mahagaga izany rehetra izany satria ireny sampan-draharahan’ny firenena mikambana ireny dia natao hanomezana asa ireo vazaha tsy haninon-tsy haninona tany amin’ny tany niaviany tany fotsiny. Na ny karama homena ny mpiasa malagasy sy ny vahiny amin’ireny sampan-draharaha ireny aza dia tena tsy mitovy mihitsy. Mandray karama sy tombontsoa betsaka lavitra ireo vahiny nefa tsy haninon-tsy haninona sy mibaikobaiko fotsiny.
Mpikambana feno ao amin’ny firenena mikambana efa am-polo taonany maro i Madagasikara nefa mbola mitana ny rambony hatrany amin’ny laharana rehetra rehefa mivoaka ny lisitra iraisam-pirenena. Tsy mety hita tabilao mihitsy ity firenena ity nefa dia mba mahazo fanasana hatrany isaka ny misy fivoriana iraisam-pirenena. Ireny fandraisana anjara amin’ny fivoriana ireny sisa no mba ireharehan’ny mpitondra Fanjakana hoe misy ny ezaka vita. Asa na tsy fantatr’izy ireo na hodiany tsy hita satria na io fitsidihan’i Ban Ki-Moon io aza dia tafiditra amin’ny resaka fihetsiketsehana fotsiny ihany. Efa hamarana ny fe-potoana fiasany amin’ny maha sekretera jeneralin’ny firenena mikambana azy i Ban Ki-Moon ka manao ny fitetezam-paritra manerana izao tontolo izao. Efa fanao izany ary nataon’i Koffi Annan izay nitsidika an’i Madagasikara ihany koa tamin’ny taona 2006.
Tsy fitiavan’i Ban Ki-Moon an’i Madagasikara manokana izao fitsidihana izao fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny lalana hizorany ny misy an’i Madagasikara. Sokajiana ho farany aza isika aty amin’ny ranomasim-be Indianina sy Afrika satria efa nandalo firenena afrikanina maro, sy ireo nosy monodidina izy vao tonga eto. Inoana rahateo fa tsy hitondra vahaolana goavana araka ny andrasan’ny mpitondra toy ny hoe hanome famatsiam-bola ampy hanatanterahana ny politika ankapoben’ny Fanjakana.
Tsy hita tabilao ihany koa i Madagasikara eo anivon’ny firenena mikambana. Inona izao no sehatra tena ahahafantarana antsika na misy malagasy mitana andraikitra ambony amin’ny fanapahan-kevitra?
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







