Ankadikely Ilafy – Zaza dimy volana an-kibo nalana ary nariana
Fatin-jazakely menavava iray indray no hitan’ny fokonolona, teny Manjaka, kaominina Ankadikely Ilafy, omaly maraina. Nahoraka vetivety eran’ny faritra rehetra izany ka nampitangorona olona mihitsy ny fahitana azy teny amin’ny kirihitr’ala, tsy lavitra ny arabe. Raha ny fahitana ny tranga nisy dia zaza dimy volana an-kibo izy io no nesorina ary nariana avy eo. Efa feno avokoa ny rantsana mandrakotra ny vatan’ilay tsy manantsiny saingy efa tsy miaina intsony. Mbola tsy fantatra kosa izay reny nahavonona ny loza. Nampandre ny tompon’andraikitra avy hatrany ireo fokonolona, manoloana ity trangam-piarahamonina mampalahelo ity. Nidina teny an-toerana ny sefo fokontany, ny mpitandro filaminana ary mpitsabo hijery akaiky ny raharaha. Raha efa izany dia natolotra ny fokonolona ny razana mba halevina. Misokatra kosa ny fanadihadiana hitadiavana ilay meloka.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







