Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Sekoly Saint Trinité – Hankalaza ny faha 10 taona

Hankalaza ny faha 10 taona nijoroany ny sekoly Saint Trinité an’ny Fjkm Bemasoandro, manakaiky an’Antsahadinta. Ny sekoly, izay sehatra iray ijoroan’ny fiangonana mba ho vavolombelona eo anivon’ny fiarahamonina satria manala ny habadoana. Hosokafana ny zoma 15 jolay 2016 ny fankalazana ary tsy hifarana raha tsy ny alahady 17 jolay amin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana. Hisy ny fampisehoana hira sy dihy mirindra ataon’ny mpianatra sy ireo maintimolaly, fiaraha misakafo ary fialamboly samihafa mandritra ny fankalazana. Hisy ihany koa ny tsangambato faha 10 taona, izay natao ho fanatsarana ny sekoly anatiny sy ivelany ary ny manodidina. Akaiky ezaka ihany koa amin’izao ny fanokafana ny kilasy faha 6 satria hatreo amin’ny kilasy faha 5 no misy. Miisa 50 eo ho eo kosa ny mpianatra tamin’ity taom-pianarana ity ka 13 amin’ireo no hanala Cepe. Telo kosa ny isan’ny efitrano ianarana izay ifandaminan’ireo kilasy dimy ireo. Miisa 3 ny mpampianatra, iray ny mpandraharaha ary iray ny tale, izay tsy iza fa ny mpitandrina ao amin’ny Fjkm Bemasoandro ihany dia Randimbialison Johary.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre